Politique

Marc Ravalomanana Mifono kajikajy politika ny fodiana an-tanindrazana


  • Talata 11 Janoary 2011

Mety hanara-dia ny amiraly Ratsiraka amin’ny fiverenana an-tanindrazana koa ve Atoa Marc Ravalomanana ? Efa drafitra mialoha nifampiresahana ve ny azy mirahalahy sa ahoana ? Inona no antony nampiparitaka ilay feo hoe : hampody azy eto Madagasikara ny fanjakana Afrikanina Tatsimo ?

Maro be ny fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro tato ho ato izay mikasika ny mety ho fiverenan’i Dada. Araka ny vaovao miparitaka amin’ny tranokala sy efa navoakana gazety mpiseho isan’andro eto amintsika maromaro ihany ary efa niverimberina tamin’ny onjampeo dia ho avy eto Madagasikara amin’ny faran’ny volana febroary Atoa Marc Ravalomanana. Ankoatra ny hoe fihaonana amin’ny fianakaviana sy ireo mpanohana ary mpiara-mitolona, dia eritreretin’ireo mpanara-baovao momba ny fiainam-pirenena fa kajy politika ihany koa ity fiverenan-dRamose ity.

Voasoratra ao anatin’ny lalàmpanorenana mantsy fa tsy maintsy monina sy mipetraka eto Madagasikara, enim-bolana farafahakeliny mialoha ny daty hanatanterahana ny fifidianana izay ho kandida filoham-pirenena. Koa raha manam-paniriana ny ho kandida ity filoha teo aloha ity dia tsy maintsy mody eto Madagasikara ato anatin’ny iray volana, izany aza mety efa tara, raha toa ka tanterahana amin’ny volana mey na jona 2011 ny fifidianana filohan’ny repoblika. Lamaody ao anatin’izao tetezamita izao anefa moa ny fampihemorana daty koa mety tsy ho tara masinina ihany Atoa Ravalomanana. Inoana ihany koa fa tsy hipetra-potsiny ireo mpanohana sy mpiara-dia aminy fa hikaroka ny fomba rehetra hahafahany milatsaka, fa mialoha izay aloha dia tsy maintsy miverina an-tanindrazana i Dada. 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT