Nitafa an-telefaonina nivantana tamin’ireo mpitolona tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy 29 septambra lasa teo.
Nandritra izany no nanentanany indray ireo mpomba azy mba hanamafy hatrany ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana amin’izao famaramparanana ny tolona izao. Nomarihiny fa betsaka ny fandrebirebena atao amin’ny mpitolona amin’izao fotoana ka tokony ho mailo ny rehetra tsy hinohino izany fa hahay handinika tsara ny zava-misy. Nentaniny manokana ireo mpitarika mba hilaza ny tena marina amin’ny vahoaka. Be loatra mantsy ny tsaho etsy sy eroa ary aoka ny rehetra mba hijoro amin’ny fahamarinana hatrany satria izay no tsy aharesen’ny ratsy antsika, hoy izy. Nankahery ny vahoaka ny tenany.
Nolazainy fa samy mandinika ireo be resaka milaza hampandroso an’i Madagasikara ny rehetra hoe iza no afaka hamorona asa, hampianatra ny ankizy, hanarina an’i Madagasikara aorian’izao krizy izao ? Mampalahelo fa sahirana ny vahoaka Malagasy maro amin’izao fotoana ary misy mihitsy no tsy afaka mampiana-janaka akory noho ny fahasahiranana sy fahaverezana asa, ka aoka mba tsy horebireben’ny sasany isika. Mbola nohamafisiny hatrany fa tsy ho ela ny fodiany ka ho hitantsika indray ny tohiny aorian’izay. Nomarihiny manokana fa matoky tanteraka ny asan’ny SADC sy ny Troïka ny tenany satria efa ireo no nanankinan’ny Vondrona iraisam-pirenena ny fandaminana ny raharahan’i Madagasikara ka tokony harahin’ny rehetra izany. Nambarany moa fa hitafa amin’Antsirabe hatrany ny tenany isaky ny sabotsy mandrapahatongany eto an-tanindrazana mba hampitana ny fivoaran’ny raharaha hatrany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.