Grevy atsy, fitakiana aroa. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana, manjaka ny kolikoly.
Taratry ny fiafaran’ny fitondran-dRajoelina ny zavatra rehetra mitranga sy ny ataony, hoy Atoa Rabemizana Solo tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe, ny sabotsy 01 desambra teo. Naveriny indray fa tsy hisy fifidianana izany eto Madagasikara raha tsy tanteraka an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra ka mody eto ny filoha Marc Ravalomanana ary kandida ho filoham-pirenena. Nohazavainy fa tsy mihatra amin’ny filoha Ravalomanana ny fepetra voalazan’ny lalam-pifidianana dia ny fipetrahana enim-bolana eto Madagasikara izany satria tsy kandidà tsotra izy ka hiharan’izay fepetra izay fa noho ny resaka politika no tsy maha eto azy.
Raha ny lalàna iraisam-pirenena no jerena dia i Andry Rajoelina no tsy afaka milatsaka hofidiana noho izy nanongam-panjakana fa tsy ny filoha Marc Ravalomanana akory izay naongana teto. Matoa misy hatrany ny mitaky ny fiverenany nandritra izay efa-taona izay dia mbola mamim-bahoaka izy. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao no jerena, hoy hatrany Rabemizana Solo dia mety ho ny fiarovana an’i Andry Rajoelina indray no manahirana ny vondrona iraisam-pirenena fa tsy ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana intsony satria tezitra aminy ny olona vokatry ny famotehana ny firenena sy ny fampahantrana ny vahoaka hatramin’ny nitondrany teto. Nanome toky ireo mpitolona moa ny tenany ka nilaza fa tsy ho ela intsony ny fodian’ny filoha Ravalomanana ary tsy ho ela toy izany koa ny hirodanan’izao fitondrana tsy ara-dalàna izao.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.