Politique

Marc Ravalomanana “Mbola hanohy fitetezam-paritra aho”


  • Alatsinainy 07 Desambra 2020

Nahitsy i Marc Ravalomanana naneho ny sabitsy teo, fa tsy mahasakana azy tsy

 

 

hanatanteraka ny fitetezam-paritra ny fandefasana mpitandro filaminana amin’izay toerana alehany. Raha ohatra ka mbola misy ny tongotro sy ny fiara hitondra ahy, dia mandeha foana aho rangahy ity a! Tsy misy ahasakana ahy raha mbola salama aho, hoy izy. Nambarany ihany koa fa ilay olona mibaiko sy baikoana dia mitovy. Ireo baikoana aza milaza amiko hoe tsy fantatray akory prezida fa dia nirahina nankaty fotsiny, hoy izy. Nataon’i Marc Ravalomanana sangisangy fa raha misy maniraka hoe mandana milomano eny Anosy dia handeha ihany koa ve ? Tsy hijanona hatreo ny fitetezam-paritra na misy aza ny sakantsakana, hoy ny Filoha teo aloha. Miha mitombo hatrany ny fanaovana andrimaso an’i Marc Ravalomanana amin’ny dia sy ny fihetsika izay ataony. Tamin’iny sabotsy iny, izay nihazoany ny Magro Behoririka, dia hatreny Faravohitra eny akaikin’ny tranony no nahitana fiaran’ny mpitandro filaminana mijanona sy miandriandry. Midika io, fa atahoran’nyy mpitondra mafy ity Filoha teo aloha ity, ary saika hita manodidina azy eny hatrany ny mpitandro filaminana na aiza na aiza alehany, izay nandrasana hatrany am-baravaram-piangonana, narahin’ny mpitandro filaminana teny an-dalana. Asa izay ho fihetsiky ny mpitondra aorian’ny 11 desambra hanaovana ny fifidianana loholona, izay ambara fa hitandroana mafy ny filaminana ara-politika. Ny azo antoka dia hafampana ny toe-draharaha politika amin’ny fiandohan’ny taona 2021.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT