Politique

Marc Ravalomanana Manome toky an’Antananarivo


  • Alakamisy 16 Mey 2019

Avy nitety an’i Madagasikara : Atsimo Andrefana, Morondava, Belo Tsiribihina, Toliara, Fianarantsoa, Ambatondrazaka,… i Marc Ravalomanana.

 

 Niverina teto Antananarivo, ka ny andron’ny talata teo, dia nanao fampielezan-kevitra nandresy lahatra ny vahoakan’Antananarivo Atsimondrano hampandany ny kandidan’ny TIMK25 Alain Ratsimbazafy sy Herilanja Ralaiharinaivo mitana ny laharana faha-5. Ho an’ny omaly kosa dia tetsy amin’ny boriborintany faha-5 niara-nientana sy nandrisika ny vahoaka maro be hifidy ny lisitra tarihin-dRalambozafimbolona Fetra sy Ramboavelo Andrianantenaina Willy Jocelyn, izay fantatry ny besinimaro amin’ny hoe: “Fetra sy Naina” laharana faha-4 ao anatin’ny bileta tokana. Ny tena nampiavaka ny teto, dia ny ezaka ataon’ireo depiote efa tena manao ny ainy tsy ho zavatra manazava ny tanjona sy ny tarigetra, izay hatao, hoy i Marc Ravalomanana tetsy Andraisoro. I Fetra sy Naina ny kandida izay natolotr’i Dada, ary efa natolotra niaraka tamin’ireo rehetra mandrafitra ny Rodoben’ny mpanangana nampahafantarina tetsy Ambohijatovo ny sabotsy 4 mey lasa teo. Manantena aho fa hiasa ho an’ny vahoaka izy ireo, hijery sy hahay hihaino ny tena ilain’ny vahoaka,… ary izay no isan’ny mampiavaka azy, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Nanipy teny izy izy ny mba tsy hanadinoana ireo vahoaka maro be rehefa tonga eny Tsimbazaza. Hitako loatra ny fahasahiranana satria ny rano tsy misy, ny tatatra sy ny loto ary ny fofona tena loza. Tsy maintsy miezaka manoloana izany ireo kandidantsika ireo, hoy izy. Notsindrian’i Marc Ravalomanana hatrany fa ny mampiavaka ireo kandidan’ny TIMK25 dia tsy ny hevitr’izy ireo samirery no hotanterahina fa tsy maintsy misy vinam-piarahamonina miainga avy eny amin’ny foibe ao. Mahatsapa aho fa tena mihena sy mitotongana ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara, ka matahotra sy manahy aho, hoy izy, sao sanatriavin’ny vava ho lasa bado ny zanantsika izay tena zava-doza. Misy firenena maromaro mantsy lalaovin’ny firenena vahiny noho izany satria mora ambakaina. Izay no maha saro-piaro an’i Marc Ravalomanana amin’ny fampianarana ny ankizy. Novantaniny fa raha toa isika te hanangana firenena vanona, dia ny ankizy sy ny tanora aloha no ampianarina avy eo homena asa. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT