Politique

Marc Ravalomanana Manohana ny fanambaran’ny Amnesty International


  • Alakamisy 22 Novambra 2012

Niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo nandritra ny fihaonana isan-kerinandro fanaon’ny VOT na Vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana sy mitaky ny ara-dalŕna Ambatondrazaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly alarobia 21 novambra.

Tamin’izany no nilazany fa zava-dehibe ny fanambarana nataon’ny Amnesty International mikasika ny zava-misy any atsimon’ny Nosy, indrindra ny vokatry ny asan’ireo andian-tafika manokana nalefa nampandry tany tany an-toerana. Tsy nanafina ny alahelony mikasika ny zava-misy any atsimo ny filoha Ravalomanana, ary nilaza fa “tsy misy mahavidy ny aina”. Nankahery ny olona amin’ny tolona ho famerenana ny ara-dalàna ny tenany, ary nampanantena fa tsy maintsy ho “vitantsika io tolona io”.
Fanomezana toromarika ireo mpitarika ny VOT isaky ny Kaominina sy fifampitam-baovao no votoatin’ny fihaonana isan-kerinandro ataon’ity fikambanana ity, izay vao avy nankalaza ny faha-3 taona niorenany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT