Ho tonga eto Madagasikara mialoha ny 18 oktobra ho avy izao Atoa Marc Ravalomanana, raha ny filazan'ny filohan'ny Kongresin'ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo.
Ity izany no fikasana hody fanintelony, nataon’i Dada. Ny voalohany, na dia efa nahazo tapakila aza dia tsy tafiditra tao anaty fiaramanidina fa dia nihitsoka tany Afrika Atsimo; ny faharoa dia tafiditra soamantsara tanaty fiaramanidina izy mivady ary voalaza fa efa nisidina ny faritr'i Gasikara ny mihitsy ny 21 janoary 2012 lasa teo, vao nitodi-doha hiverina any Afrika Atsimo indray ilay fiaramanidin'ny Airlink, noho ny NOTAM navoakan'i Andry Rajoelina. Maro be ny zavatra efa nitranga taorian'izay raha tsy hilaza afa-tsy ny fanamafisan'ny fivorian'ireo filoham-panjakan'ny SADC ny fampiharana manontolo ny tondrozotra fotsiny. Tsaroana ihany koa fa efa tonga teny Ivato vao noroahana tamin-kery hiala teto Madagasikara Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny vinantovaviny. Nihazakazahana ihany koa ny fanetsehana ny raharaha 7 febroary, ka nanova paikady ireo mpitory koa dia tany Afrika Atsimo indray no nanetsehan'izy ireo ny fitsarana.
Nanamarika anefa Atoa Ravalomanana fa fomba fiady daholo izany, mba hitazonana azy maharitra any an-toerana. Tsy tokony hisy hampanahy anefa hoy izy, satria “tsy misy olana ny pasipaoroko ary afaka mody tsara any Madagasikara aho”. Nanamafy ny maha kandida azy amin'ny fifidianana moa ity filoha teo aloha ity, ka izay no antony tsy maintsy hahatongavany faran'izay haingana eto. Mbola maro ny fandaminana tsy maintsy atao, na dia eo anivon'ny antoko Tiako i Madagasikara fotsiny aza. Azo antoka fa tsy maintsy hisy koa ny sakantsakana maro samihafa hihatra aminy. Ny eny amin'ny Magro, tato ho ato izay dia nafana foana ny hetsika. Nitombo ny isan'ny mpitolona ary tsy te hahalala izy ireo fa tsy maintsy mody i Dada !
Fantatra koa anefa fa miasa mafy amin'ny fanakanana ny fiverenan'iny "rangahy" iny Rajoelina sy ny ekipany. Ity izany no azo ambara fa tena fitsapana farany, ka ho hita eo indray izay ho fivoakany : afaka hiala any Afrika Atsimo, ho tafiditra anaty fiaramanidina ka ho tonga eto amin'ny tanàna marina ve Atoa Marc Ravalomanana ? Raha izay no mitranga dia hamoaka NOTAM indray ve i Andry Rajoelina, na koa handefa ny miaramilany eny Ivato hisambotra an-dRavalo ? Ahoana ihany koa ny fitsenanana azy ? Hanomana hetsika goavana ve ny etsy amin'ny Magro, sa tonga mangingina fotsiny, tsy misy fihetsiketsehana be i Dada. Raha mbola te handray anjara amin'ny fiainana politika eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana dia tsy maintsy miverina eto aloha, fa tsy hanao teny miampita isan'andro avy any Afrika Atsimo. Araka ny tsiliantsofina re moa dia efa ho roa volana izao no niasa mafy amin'ny fandaminana ny fodiana eto Madagasikara ity filoha teo aloha ity sy ny mpiara-miasa aminy. Manomboka izany izao ny fanisan'andro. Azo antoka fa hafampana indray manomboka amin'ity herinandro ity ny tontolo politika, fa dia tsy maintsy ho avy izany i Dada e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.