Politique

Marc Ravalomanana Malalaka ny lalana hiverenany eo amin’ny fitondrana


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2012

Miha mazava ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, hoy i Zafilahy Stanislas. Hatramin’izay dia i Marc Ravalomanana hatrany no nolotoina kanefa izao dia hita fa izy samy izy mpomba ny fitondrana no mifamono rehefa misy zavatra tsy metimety amin-dry zareo.

Ho hita eo izay hataon’ny fitsarana, hoy i Zafilahy Stanislas. Ankoatra izay dia nambarany fa malalaka ankehitriny ny lalana hiverenan-dRavalomanana eo amin’ny fitondrana ny firenena. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka izany fiverenan’ny filoha izany ny ankolafy misy azy ka eny amin’ny kianjan’ny magro, araka ny fanazavana no handraisana ny toromarika rehetra ary i Marc Ravalomanana no hiteny ny daty hiverenany eto an-tanindrazana.

«Kely sisa no tsy hahatongavan’ny filoha Ravalomanana ka mila miomana, maka bahana isika», hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Faritany Toamasina ity,  izay namariparitra fa izay fiverenan’i Marc Ravalomanana izay no dingana voalohany, ny fampandaniana azy hiverina eo amin’ny fitondrana kosa no ho dingana faharoa ary ny fiarovana ny fanjakana tsy hanjakan’ny amboadia rehefa lany izy, no dingana fahatelo.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT