Vitsy ny olona no tonga nifidy ary maro no azo hanazavana izany, toy ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny rafitra mpikarakara fifidianana noho ny zava-nitranga tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo,
ny laza ratsin’ny Antenimieram-pirenena noho ny nataon’ireo solombavambahoaka teo aloha izay nanjakan’ny kolikoly, hoy i Marc Ravalomanana. Nambarany fa tsy resy akory ny TIM fa nandresy saingy betsaka ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato misy. Tsy atao mahakivy fa tsy maintsy hatrehina, tsy maintsy mijoro hatrany isika manohitra ny tsy mety ary mampahafantatra ny vahoaka izany, hoy izy. Leo fitiavan-tena, fitiavan-tseza sy ny kolikoly ny Malagasy. Tsy manaja ny asany araka ny lalàna misy ireo manana andraikitra amin’ireny andrim-panjakana ireny. Misy ireo mpitondra na ny olona sasany mihevitra fa tokony hofoanana ny andrim-panjakana sasany toy ny antenimierandoholona na ny Antenimieram-pirenena fa mandany vola. Ny marina dia tsy mahalala ny asany ireo olom-boafidy sasany ka manjaka ny kolikoly ary ao ireo tia tena ka tsy mijery ny tombontsoam-bahoaka. Ireo no manimba ny andrim-panjakana ka tokony ho izy ireo no beazina fa tsy ny andrim-panjakana no foanana. Ireo “institutions” ireo no maha firenena Repoblikanina ny firenena sy fototra hiorenan’ny demokrasia ka tokony harovana. Raha misy tsy mety ataon’ny filoha, ohatra, dia anjaran’ireo andrim-panjakana hafa toy ny mpanao lalàna (antenimiera roa tonta) sy ny HCC no miteny azy sy mampihatra ny lalàna misy fa tsy ny “Présidence” akory no foanana. Fehiny, ny TIM.K25 dia miezaka hatrany mampiofana ireo olom-boafidiny ary manabe ny vahoaka ary hijoro hiaro hatrany ireo andrim-panjakana misy eto Madagasikara, hoy i Marc Ravalomanana.
Marigny sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.