Politique

Marc Ravalomanana “Lasa fitaovana fanapenam-bava ny fahamehana”


  • Alatsinainy 26 Aprily 2021

Nomelohin’i Marc Ravalomanana sy ny RMDM tarihiny ny “décision interministérielle” nivoaka ny 22 aprily 2021

 

 izay mandrara ny fanehoan-kevitra sy ireo adi-hevitra politika any amin'ny haino aman-jery rehetra. “Manan-jo hahalala vaovao ny tsirairay. Tsy misy faneriterena mialoha azo ampiharina amin’ny fampahalalam-baovao amin’ny endriny rehetra ankoatra ireo izay mamoafady na mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka. Zo ny fahalalahana amin’ny fampahalalam-baovao… Voarara amin’ny endriny rehetra ny sivana”, hoy I Marc Ravalomanana mampahatsiahy ny andinin’ny faha-11 amin’ny lalàmpanorenana. Fanaovana didy jadona an-kitsirano ary famotehana tanteraka ny demokrasia izay vao mitsiry, hoy ny fanambarana.Tena sahirana ny Malagasy, saingy ny vahaolana hitan'ny fanjakana dia ny fanapenam-bava ireo olona mbola afaka miteny sy maneho hevitra, ka tsy azo ekena mihintsy izany hoy ny fanambarana. Ny fahamehana ara-pahasalamana dia tsy tokony atao fitaovana hanitsakitsahina sy hanapotehana ny demokrasia ary ny zo fototra dia ny fahalalahana maneho hevitra izany, hoy ny Filohan’ny RMDM. Aoka ny mpitondra tsy hanafina ny tsy fahaizany, ny tsy fahombiazany ary ny fitavozavozany amin'ny fanapenam-bava ny olom-pirenena toy izao. Hamafisinay indray famelohinay ary toherinay amin'ny fomba rehetra izao fanapahan- kevitra diso sy fanaovana didy jadona izao hoy i Marc Ravalomanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT