Politique

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”


  • Talata 07 Aprily 2020

Miady amin’ny zavatra tsy fantatra sy tsy nampoizina, izay mila fahakingana. Tsy sanatriavin’ny vava mitady toerana sy mitady fahefana aho, fa te hanampy, te hizara traikefa, hoy i Marc Ravalomanana omaly tamina fandaharana manokana.

 

 

 

Niresaka taminy ny any ivelany, toy ny Banky Iraisam-pirenena, FMI, ny Alemàna,… Miakatra be mantsy ilay voan’ny Coronavirus ary tsisy afaka miteny aloha hoe voafehy izany io. Hita ny voka-dratsy tamin’ny resaka fidiran’ny sidina avy any ivelany. 165 tapitrisa dolara avy amin’ny FMI, ary ny Banky iraisam-pirenena nanome 265 tapitrisa dolara ho an’ i Madagasikara (Première tranche). Maniry raha maniry firaisankiana ny tenany, samy hapetraka any aloha ny hambo-po politika, hoy i Marc Ravalomanana. Misy ny fanampiana, ary raha tsy mandeha amin’ny mangarahara dia zava-doza. Ataovy mangaraharaha ny fitantanana ny zavatra misy, ny zavatra azo sy ny fampiasana azy. Amin’ny ohatr’izao dia mila manomana paikady: mangarahara, serasera, tanjona, firaisan-kiana, arahina drafi-panatanterahana, hoy izy. Tsisy tokony hifanenjika sy hifanaratsy, hanararaotra, saingy misy ihany no mitady hanararaotra hoe: havily amin’ny resaka politika mba hampalazana ny tena ny zavamisy, hoy i Marc Ravalomanana.Tsy azo atao ny mitamatama fa tena vidiana lafo hoy hatrany izy ary raha miteny tsy hoe manakiana be fahatany fa te handroso hevitra sy hizara ny traikefa amam-pahalalana ananana mba hahafantsika miasa miaraka mandresy ny Coronavirus.

MANDINIHA TENA

 Matoa ny olona tsy mankatoa ny toromarika dia misy antony lehibe ao ! Efa ratsy izay fambara izay. Matoa ilay olona tsy manaraka intsony, dia tsy raharahany intsony, ary tonga dia mampamangy. Izay no tokony hampieritreritra ny mpitantana eto, hoy ity filoha teo sady filoha nasionalin’i TIM ity. Izahay mpanohitra manana olona, ary izahay faharoa mba tsy hilazanay hoe voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018, hoy izy. Tena diso be ny filazana hoe tsy ilaina ny demokrasia amin’izao hamehana izao, ary samihafa ny hamehana ara-pahasalamana sy ny hotakotaka ara-politika, hoy izy. Matoa ianao manao politika dia mahafehy ny olona miaraka aminao, ary manaraka ny torimarika avy aminao, fa ny “crédibilité” anao indray no mihena, izay toa mananatra ny filoha am-perin’asa. Diniho ihany ny ataonareo, fa ity fiainana ity mihodina. Ianao izao manindry manadoboka, mampiasa fahefana, mbola ho avy ny fotoana, hoy i Marc Ravalomanana.

 

 

HANDEFA TARATASY

Tsy ny fanenjehana na ny fanagadrana no zava-dehibe, fa ny fampitana hoe ity resaho, hoy I Marc Ravalomanana manoloana ny fampitahoran’ny fanjakana. Na iny Arphine mpanao gazety nogadraina iny aza zava-doza be. Efa milaza izy  hoe tsy nanao mbola alefanareo any am-ponja. Iza no tsy mahalala an’i Ny Rado Rafalimanana. Izy nandeha tany Ambatondrazaka hanampy ny olona indray , efa mba nandany solika no gadrainareo. Ny any aza havoaka, hoy izy. Hanoratra any amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy, raha ny nambarany. Hilaza mazava ny zavatra misy eto azo hamarinina amin’ireo masoivoho eto. Nanampy anay ianareo misaotra betsaka, fa miangavy hoe: mitady ny mangarahara ny Malagasy. Mila manao tatitra any amin’ny mpanome momba ny fandaniana nataony ny mpandray ny vola. Tsy tokony hisy ny fitanilana fa atao mangarahara sy am-pahamarinana ny asa. Manameloka marin-drano ny fanagadrana mpanao gazety sy mpanohitra aho hoy i Marc Ravalomanana,laviny marindrano ihany koa, raha toa ka misy ny eritreritra hoe hanao andrana vaksiny momba ny Coronavirus aty Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT