Mila solombavambahoaka tena mendrika sy hijery vahaolana hanamboarana io distrika io satria hita fa tena tanàna tokony handroso tsara manana ny maha izy azy i Sakaraha,
hoy i Marc Ravalomanana omaly. Azony antoka hahavita izany Atoa Rakotondravelo Emile sy Rehay Jean Charles kandidan’ny Tiako I Madagasikara, izay nanolotra azy ireo tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy 29 aprily. Manantena aho, hoy izy, fa tena hiasa ho an’ny vahoaka sy hanao araka izay tratrany mba hanovana haingana sy hanatsarana izao distrika izao, izay tena manana ny maha izy azy. Mino sy mahatoky aho, fa tsy ho ela dia hiverina aty indray hijery akaiky sy hiasa hiaraka amin’ny vahoaka. Tonga miaraka ny fanombohana ary tena hiasa hiaraka mba ho fahombiazana satria hita fa betsaka ny toe-javatra mila vahaolana, toy ny fahabetsahan’ny ankizy tsy tafiditra an-tsekoly, hoy izy. Ny trano sy sekoly misy fa ilay raiamandreny mandoa ilay saram-pisoratana anarana sy ny karaman’ny FRAM no tsy misy. Tafiakatra 92% ny taham-pidirana an-tsekoly fony izy filoha. Voatsinjo ara-pitaovana tsy nisy natao zanak’Ikalahafa ny zanaka Malagasy, fa tsy endrika propagandy tamina ampahana mpianatra vitsivitsy, toy ilay nataon’ny kandida iray tamin’ny fifidianana filoha. Tarigetrany sy ireo kandida miaraka aminy ary ny vahoaka ny hiasa tsara sy hiasa mafy ary hiasa haingana, mba hahafaha-mametraka ny fampandrosoana hositrahan’ny besinimaro. Tena tsy mipetra-potsiny I Marc Ravalomanana na eo aza ny mety fisiana kapa ranjo politika, ka tsy mihemotra fa mitety an’i Madagasikara sy manakaiky vahoaka mampahafantatra ny kandidan’ny TIMK25 sy mampita ny foto-kevitra dia ny hametraka mpanao politika sy olom-boafidy matihanina, tsy ho tsangan’olona fotsiny, fa tena hiady ho an’ny vahoaka. Hanao izay hibatana fandresena amin’ny alalan’ny fahazoana maro an’isa etsy Tsimbazaza I Marc Ravalomanana sy ny TIM, izay inoana fa ho avy masiaka amin’ny fampialezan-kevitra manomboka ny 6 mey. Nialoha ny tao Sakaraka, nandalo tao Fianarantsoa, Andranovorivato, Talatanmapano, Ihosy,… i Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo nanolotra hatrany ireo kandidan’ny TIMK25, ary nanome toky fa hamerina ny hasin'ny antenimieram-pirenena, hiady ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fahefana manao lalàna, ary hanaramaso ny fiasan'ny governemanta mba hisy fifandanjana, ahafahana miaro bebe kokoa ny Malagasy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.