Tonga manatrika sy manome voninahitra ny fameloma-maso indray na “Redynamisation” ho an’ny Antoko TIM (Tiako I Madagasikara) ao amin’ny Faritra Toamasina sy ny manodidina ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy 30 oktobra lasa teo
. “Horaisiko izao fotoana izao hanambarako ampahibeemaso ny hetahetan’ny rehetra. Tsy ny Malagasy ihany, fa ny mpiara-miombon’antoka izay maniry ny tena hanehoan’ny vahoaka ny safidiny. Efa nanambara aho fa ny andro sisa iainako dia entiko hanasoavana ny vahoaka Malagasy amin’ny fomba mendrika azo alain-tahaka, ary ahitana vokatra”, hoy i Marc Ravalomanana. Naneho ny tenany fa manantena ny mbola hisian’ny fiovam-piainana ny vahoaka. Manantena fa ny taranaka dia mbola afaka higoka fandrosoana. “Efa nilaza aho fa manana vahaolana, ary atolotro anareo ny vahaolana”, hoy i Marc Ravalomanana. Nambarany fa mazava ny toromarika, fa haka fahefana, ka tsy mila mitamatama mihitsy amin’izany. Notsipihiny kosa anefa fa fady aminy ny fanonganam-panjakana. “Misy karazany maro ny fakana fahefana, aty Afrika dia manao zavatra mamoafady. Tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany nanongam-panjakana nahavita zavatra, fa voahozona. Matoa aho nanaiky, nametraka izany teo anatrehan’Andriamanitra, fantatro, mba ho tsapan’ny vahoaka Malagasy fa ny olom-mangina tsy resy tsy akory, ary raha mbola misy ihany koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenana, hoy izy”, hoy I Marc Ravalomanana. Na hatramin’ny vahiny aza nambarany fa manenina tongotra aman-tànana amin’izao fitondrana ankehitriny izao, ary niaiky fa ny tsy hisian’ny korontana fotsiny no nanekena ny fipetrahany teo. Miantso vonjy ny rehetra, ka naneho I Marc Ravalomanana, fa vonona hanavotra firenena ary nanamafy fa ny andro sisa hiainany dia hanasoavany ny vahoaka Malagasy. Niantso ny vahoaka mpiara-dia aminy hijoro hatrany sy ho sahy I Marc Ravalomanana, ary nanentana azy ireo tsy hanaiky ny fampihorohoroana sy tsindry intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.