Politique

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio


  • Alakamisy 28 Mey 2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

 

 

Heverina fa hifantoka bebe kokoa amin’ny raharaham-pirenena misy ankehitriny, indrindra fa ny valanaretina coronavirus, ny raharaha mahakasika ny Rovan’Antananarivo, ny olana ara-tsosialy sy toekarena,… Ny 7 aprily moa I Marc Ravalomanana no hita faramparany tamin’ny fandaharana manokana tamina fahitalavitra, ka nilazany tamin’izay fotoana izay fa tsy tokony hitamatama satria ahiana hidangana be ny isan’ny voa raha tsy milamina sy mirindra ny paikady. Na nisy aza ny seraseran’ny fanjakana naneho fa voafehy ny valanaretina dia nahitsy izy niteny, fa mbola tsy azo ambara ho voafehy ary nampiseho kisarisary nentina nanazavana izany mihitsy. Tamin’izay fotoana izay no nilazany fa mila fangaraharana sy fahintsiana ny fitantanana sy ny fandrindrana. Isan’ny nisantatra ny fanarenana ny Rova ny tenany tamin’ny fitondrany, ka andrasana ihany koa izay hambarany mahakasika ny zava-misy, izay miteraka resabe ankehitriny. Andrasana izay hambaran’i Marc Ravalomanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT