Taorian’ny tatitra nataony ny alatsinainy teo, tonga nanatitra ny antotan-kevitra
momba ny fanadihadiana parlemantera nataony tamin’ny Filoha teo aloha sady mpitarika ny RMDM ireo lehiben’ny vaomiera nanao ny fanadihadiana teo anivon’ny Antenimierandoholona, izay niompana tamina lafin-javatra 4: kaomisionina momba ny fitantanana ny covid-19, fampidirana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, ny mahakasika ny lisi-pifidianana, ary ny raharaha mikasika ny vaky fonja tao Farafangana ny 23 aogositra 2020. « Tena mahatalanjona sy mahazendana ny fisian’ny anarana miverimberina sy karapanondro hosoka marobe; asa ratsy ny hosoka, ary tsy fampiseho masoandro; marina ny fanazavan’ireo loholona satria nanao fanadihadiana izy ireo”, hoy i Marc Ravalomanana. Anjarantsika, hoy izy, ny maneho fahasahiana, hamerina ny hasin’ny firenena isika satria mahamenatra ny zavatra toy izao. “Momba ny fampidirana fitaovam-piadiana, dia ny minisitry ny fiarovana no tokony ho tompon’andraikitra amin’ny fampidirana “arme de guerre”. Ny « Chef d’Etat par intérim » tsy « chef suprême des armées » na filoha faratampon’ny foloalindahy. Tany avaratra no niditra an-tsokosoko ny fitaovam-piadiana, raha ny fanazavana. Nilaza kosa i Marc Ravalomanana fa famadihana tanindrazana ny fampidirana fitaovam-piadiana tsy manaraka fepetra (protocole). Tsara ny mampatsiahy, fa nisy fotoana efa naneho hevitra i Marc Ravalomanana mikasika ny fifidianana sy io resaka fitaovam-piadiana sy resa-pifidianana io hoe: nandefitra ao mba hisorohana ny ra mandriaka. « Tsy nampoizina ny fampidirana fitaovam-piadiana mialoha ny fifidianana. 600 tapitrisa no nanampiana an’ny Madagasikara tamin’ny ady tamin’ny covid 19, ka tokony nahazo fanampiana daholo ny tokantrano. Momba ny fanomezana tsena-barom-panjakana, tsy tonga ny minisitra voakasika nantsoina tamin’ny fanadihadiana parlemantera. Tsy mazava ny fanomezana ny tsena (bonbons sucettes, écrans plans). Mikasika ny raharaha Farafangàna, dia nisy ny « usage excessif de fa force » na fampiasan-kery tafahoatra sy ny fanitsakitsahana ny zon’olombeleona nandritra ny fisamborana sy famonoana ireo gadra nandositra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.