Politique

Marc Ravalomanana Fifidianana “exceptionnelle” no hatao eto


  • Alatsinainy 12 Novambra 2012

Tsy maintsy mipetraka eto an-tanindrazana mandritry ny enim-bolana ireo te hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, raha ny voalazan’ny lalam-pifidianana izay nolanian’ny ampahany eo anivon’ny Parlemanta.

 Anisan’ireo efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha io lalam-pifidianana izay tsy nolaniana tamin’ny alalan’ny marimaritra iraisana, amin’ny maha fiaraha-mitantana ny fitondrana amin’izao fotoana izao, dia tokony ho efa nody eto an-tanindrazana nanomboka ny 8 novambra lasa teo raha toa ka voatazona ho amin’ny 8 mey 2013 ny fifidianana filoham-pirenena. Araka ny fanazavan’ny filoha Ravalomanana anefa, izay niditra nivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tetsy amin’ny kianja Magro ny sabotsy lasa teo dia tsy mahalala lalana ivelan’ny sori-dalana ny sehatra iraisam-pirenena, na ny Vondrona Eoropeanina na ny Vondrona Afrikanina, ao anatin’izany ny SADC. “Lasa lalàna fototra hitondra ny Malagasy hivoaka amin’izao krizy lalina izao ny sori-dalana. Tsy mahalala izay ivelan’io ny rehetra.

Ny Vondrona Eoropeanina izay nihaona tamin’ny Governemanta dia nilaza ny tokony hampiharana ara-bakiteny ny sori-dalana. Nanamafy ny Afrikanina, ny SADC fa tsy misy an’izany hoe tsy maintsy miverina ao anatin’ny 4 na 6 volana izany fa fifanarahana politika io”. “Fifidianana exceptionelle no hatao”, hoy i Marc Ravalomanana izay nanamafy fa tsy maintsy tafaverina aty Madagasikara ny tenany na ahoana na ahoana ary tsy hisy fifidianana azo atao raha tsy tafaverina eto an-tanindrazana izy ireo. Fifidianana malalaka, mangarahara, eken’ny rehetra, ny fianakaviambe iraisam-pirenena no hatao ary amin’ny fomba demokratika, hoy izy ary ao anatin’izany demokrasia izany, araka ny fanazavana ihany dia tsy misy fanenjehana mpanao gazety, tsy misy fanakanana olona avy aty ivelany tsy hody any Madagasikara ary ireo gadra politika dia tokony havoaka ihany koa, hoy ihany i Marc Ravalomanana.

“Tsy izaho mihitsy no tsy te hody any Madagasikara fa sakanana aho, naverina ny fiaramaidina, natao daholo ny fomba rehetra. Tsy izany anefa no voalazan’ny sori-dalana”, hoy ihany ny filoha Ravalomanana izay mbola nanamafy fa tokony havela hilatsaka izay te hilatsaka fa ny Malagasy, hoy izy mahafantatra izay ho safidiany hitondra ny firenena. Nambaran’i Marc Ravalomanana ihany koa fa tsy maintsy manaraka ny fenitry ny SADC ny rehetra amin’ny famahana izao krizy izao, ny Troika-SADC irery, rahateo, hoy izy no hany afaka mitondra ny famahana ny krizy. Ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC rahateo, araka ny fanazavana dia efa niteny fa tsy maintsy atao amin’ny fomba haingana ny famerenana an’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Tsy azo ekena sy jerem-potsiny, hoy izy ny vonomoka atao ny olona any Atsimo. Raha ny fanazavana ihany dia noho ny fahasahiranana sy fahantrana. Niantso ny tafika moa ny tenany mba hanentana ny vahoaka tsy harivo salosana ka sanatria ho lasa ataon’ny olona fitaovana fotsiny. 

Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT