Politique

Marc Ravalomanana F’angaha ho mpitondra eo mandrakizay ianareo ?


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ireo Malagasy mpiray tanindrazana

 

 

any Atsimo no nanamarihana ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tetsy amin’ny QG Bel’Air ny sabotsy 12 desambra teo. Feno 71 taona katroka afak’omaly ny tenany. Nandritra io no nilazany fa mbola misy ny iraka ataony eto amin’ny firenena, ary miendrika sarin-teny sy fampiomanany ny mpiara-dia aminy amin’ny hiverenany eo amin’ny fitondrana ny fomba firesak’i Marc Ravalomanana. «Mbola misy iraka ataontsika eto, ary miaraka aminareo aho manao azy fa tsy izaho irery. Fantatro ny fanirianareo, fantatro ilay izy, ary mbola sahy, tsy hihemotra amin’io mihitsy aho na inona na inona. Miteny an’izany aho satria mijaly loatra ny vahoaka, tsy vitan’ny mijaly fa ilay paikady hoentina manatanteraka hanalana ny fahasahirana tsy mifanandrify amin’ilay tena ilain’ny vahoaka 90%, na ara-bola na amin’ny tetikasa atao, na amin’ny fampianarana,… », hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha dinihina amin’io, dia mety mbola kandida i Marc Ravalomanana amin’ny taona 2023, ary efa mampiomana sahady ny mpiara-dia aminy sy ny vahoaka.

 «ANGAHA IANAREO MIERITRERITRA NY HO EO MANDRAKIZAY »

Mihevitra ny tenany hijanona eo mandrakizay ny mpitondra ankehitriny, raha nandefa mpitandro filaminana, raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana. « Efa manao ny tsy fanao ! Mba alaivo sary an-tsaina hoe olona nivavaka tany am-piangonana, tsy nanam-po na inona na inona fa hoe andeha hivoaka fa dia tena nahazo fampaherezana. Efa tena manao ny tsy fanao, ary milaza aminareo aho fa tsy nisy zavatra nanohina ahy tamin’ny fiainako afatsy iny. Tsy mbola nisy an’izany eran-tany hoe: ilàna vanina amin’ny tsy tokony ho izy ny Filoham-pirenena nitondra fito taona. Tsy hoe nitondratondra fotsiny, fa nahavita làlana 9200 km, nahavita vary 3 tapitrisa taonina na mahery aza, nihinana ny ankizy, nianatra avokoa ny 92% tamin’ny zaza Malagasy,… dia mbola izao ihany no anaovany ahy. Alainy daholo ny……, tena loza. Tsy te hitanisa an’izany aho, fa efa tena tsy mieritreritra loatra ianareo, ary angaha ianareo mieritreritra ny hijanona eto mandrakizay”, hoy hatrany i Marc Ravalomanana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT