Nahitsy sy nazava ny tenin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nandritra ny fidirany an-telefaonina tao Antsirabe ny sabotsy 17 novambra lasa teo fa tsy hisy fifidianana izany eto Madagasikara raha tsy tanteraka ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra.
Nolazainy fa ny ankoatra izay dia lainga avokoa satria efa nivadika ho lalàna io ka tsy maintsy tanterahina vao hisy ny fifidianana. Nankahery ireo mpitolona ny tenany nilaza fa tsy misy tokony hatahorana izany ny momba azy fa tsy maintsy kandidà sy milatsaka ny tenany vao misy ny fifidianana. Nohamafisiny fa efa eo am-piheverana ny fodiany ny Troïka sy ny SADC ka ny fampandrosoana haingana an’i Madagasikara no tena hilofosany sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’izao fotoana izao mialoha ny ahatongavany eto Madagasikara satria efa latsaka anaty fahantrana ny Malagasy izao.
Nambarany fa matahotra fifidianana ny FAT amin’izao fotoana matoa tsy mety mampihatra ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra, dia ny fampodiana ireo sesitany politika, anisan’ny izany ny tenan’ny filoha Marc Ravalomanana, ka izay no mampitarazoka ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Nambarany fa tsy misy vahaolana afa tsy ny fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra ihany eto Madagasikara ka izay no tokony hataon’ny FAT. Nohamafisiny fa mila mifampatoky ny mpitolona sy ny mpitarika manomboka izao mba tsy hahafaty momoka ny tolona satria tsy maintsy arodana ny tsy rariny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.