“Ny fitiavana ny taranaka no maha Malagasy ny Malagasy. Zava-dehibe loatra ny fitiava-tanindrazana, ka tsy maintsy mijoro hatramin’ny farany ny rehetra ho an’ity firenena ity”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana raha nifampiresaka tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ireo mpiray dia aminy, tao amin’ny foiben-toeran’ny Ankolafy Ravalomanana ao Bel’Air ny tenany ny sabotsy 27 novambra lasa teo. Anisan’ny nisongadina tamin’ny fanazavany ny tsy fankasitrahany ny sori-dalana naroson’i Frantsa izay misy milaza fa efa nankatoavin’ny ampahany amin’ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana. “Ny arosony ao dia hoe araho ity drafitra ity. Drafitra frantsay io, tsy ekena. Ny lalana arahina izao dia ny an’ny GIC sy ny Addis Abeda aloha vao hanaovana fanapahan-kevitra. Ka ny vahoaka Malagasy no tompon'ny fahefana. Ny Ankolafy Ravalomanana tsy manaiky izany koa dia aleo ny vahoaka no Andriamanjaka hifidy anaty fifidianana malalaka. Misy fitaka be ao”, hoy izy.
Ankoatra izay dia nanaitra koa ny filazany fa tambazana vola amina miliara euro, manodidina ny 1500 tapitrisa euros any ho any raha kely na koa izay tiany, hamerenana ny orinasany, hiverenany, izy sy ny ankohonany, eto an-tanindrazana fa ny takalony dia ny tsy firotsahany intsony ho kandida ho filoham-pirenena. Ny Vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay, na OIF, moa no toa ao ambadik’izany resaka izany raha ny nambarany ihany.
Raha vao miresaka OIF anefa dia ny Frantsay izay. “Tsy ny fitiavana ho tonga Filohan'ny Repoblika no mahamaika ahy fa ny hanavotana an'i Madagasikara toy izay efa natao nandritra ny fito na valo taona. Mahamaika ahy ny hamonjena ny vahoaka Malagasy, ny hanesorana ireo mersenera, ny hanjakan'ny demokrasia sy ny fahalalahana hiteny fa tsy ny fisamborana lavareny izao”, hoy ihany ny filoha Marc Ravalomanana. Nitondrany fanazavana koa ny momba ny antony nidiran’i Madagasikara tamin’ireo vondrona samihafa toy ny SADC, ny COMESA, ny nahatonga ireo fampandrosoana teto amin’ny firenena izay mahatonga ireo firenena vahiny hafa haka lesona amintsika.
Momba ny ho fodiany an-tanindrazana na tsia dia nazava ny tenin’i Marc Ravalomanana : “Tsy maintsy mody aho raha vao tafatsangana ny tetezamita iraisana. Ny antony tsy ahafahako mody ankehitriny dia satria arovan'ny SADC ny aiko”. Raha vao tafapetraka anefa ny tetezamita iraisana, araka ny fanazavana, dia hanome miaramila hiambina azy ny SADC. “Tsy maintsy mody any aho fa any no tanindrazako”, hoy ihany i Marc Ravalomanana namarana ny resaka nifanaovany tamin’ireo mpiara-dia aminy tetsy Ampandrana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.