Ny sabotsy lasa teo vao tena naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena sy ny fahalanian’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nazava tsy misy pentina ny teniny fa dia manaiky ny maha filoha an’i Hery Rajaonarimampianina ny tenany ary miantso ireo mpiara-dia aminy mba hanaja izany filoha izany. Efa izay no zava-misy, manaiky an’io ny sehatra iraisam-pirenena ary efa mizotra mankany amin’ny fametrahana ny ara-dalŕna isika izao, hoy i Dada.
“Tsy afa-miala amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika”
Teny fahendrena no nambarany io sabotsy io. “Tsy anjarantsika ny mitsara sy manameloka fa ny fahavalontsika. Ny fifanampiana no tena zava-dehibe ary ny fifanajana no tsy maintsy ataontsika eo ambonin’ny zavatra rehetra. Aoka samy hifanaja ny mpitondra sy ny entina. Manajà ny mpitarika ianareo amin’ny fandaminana rehetra…». Mazava, hoy i Dada ny tenin’ny fikambanana iraisam-pirenena. Tsy hiverina hanampy an’i Madagasikara mihitsy eo amin’ny lafiny toekarena ny sehatra iraisam-pirenena raha tsy misy aloha ny fandriampahalemana sy ny fitoniana politika. Rehefa tsy miray hina sy mifanampy ny Malagasy dia mbola mihazohazo eo ny sehatra iraisam-pirenena. Isaorana an’Andriamanitra ny dingana efa vita ary neken’izao tontolo izao, hoy hatrany izy. Na dia tsy mifanaraka amin’ny sitrapontsika aza ny zava-nitranga dia tsy afaka misaraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika, ny Vondrona Eoropeanina, Vondrona Afrikanina, SADC. Aoka hahay hijery ny raharaham-pirenena ato anatiny isika sy ny raharaha iraisam-pirenena. Raha tsy manana io fomba fijery io isika dia tsy maintsy miezaka mijery izany, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy mahavita tena irery i Madagasikara, porofo izao fahantrana mianjady amin’ny firenena izao satria ny faripiainana mahatratra 75% nefa tsy mbola miverina ny fanampiana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, Banky Afrikanina. Porofo izany, hoy ny filoha Ravalomanana fa tsy afaka mihetsika isika ka tsy maintsy mankato sy mifanaraka.
“Tombontsoam-pirenena”
Samy manana ny fomba fijeriny ny mpanao politika Malagasy ary samy miteny ny ao am-pony amin’ny hatezerana. Tsy izany, hoy izy no tadiavina amintsika fa fandriampahalemana, fihavanana, fifankatiavana. Mijoro izahay aty ivelany fa ny fanontaniana ho anareo Malagasy dia ny hoe : misy mampiady ve ianareo, sa matahotra ny fomba fijery marina ? Aoka hampadeferina ny hambom-po ary hampanjakaina ny tombontsoam-pirenena. Tsy afaka hiolonolona mihitsy isika na dia manankarena aza. Aoka, hoy izy isika tsy hozarazarain’ny sasany. Tsy an’olom-bitsy ny raharaham-pirenena fa miankina amin’ny fahaiza-mitantana ny firenena. Na tsy mifanaraka amin’ny sitrapontsika movansy Ravalomanana aza ny fifidianana dia tsy maintsy mankato ny sehatra iraisam-pirenena isika. Matoky anareo mpitarika aho, hoy ny filoha Ravalomanana, tsy atao amin’ny vava fa amin’ny fo ny asa. Zava-dehibe loatra, hoy izy ny fifankatiavantsika. Miantso anareo mpikambana ato anatin’ny movansy, ny mpanao politika rehetra , hoy izy aoka isika hametraka avo dia avo izany tomboantsoam-pirenena izany ary mijery lavitra fa tsy mijery eto an-toerana fotsiny. Tsy mifanaratsy, tsy manao teny tafahoatra. Tsy mety izany ary ny fahavalontsika tsy fahavalon’Andriamanitra. Aoka isika hanaja.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.