Politique

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”


  • Zoma 29 Mey 2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

 

 

 

Naneho fa tsy mifanaraka amin’ny tantara sy ny vakoka ny fananganana ilay “colisée” ka tokony hesorina sy any amin’ny toeran-kafa no hasiana azy raha te hanao. Efa adihevitra tamin’ny androny ny “carreaux”, ascenseur, fa tsy neken’ny besinimaro satria tsy nisy an’izany teo aloha, saingy izany no atao ankehitriny. Hisehosehoana fotsiny hoe mahavita zavatra te hanangana, saingy tsy tokony any amin’ny vakoka no kitikitihina. Niresaka ny raharaha Ambovombe, izay nolazainy fa tsy fifankahazoana amina olom-boafidy roa. Fanalana olona mahantra amin’ny tany, trongisana fotsiny. Marina fa manatanteraka baiko ny mpitandro filaminana saingy tsy voafehin’ny Prefe ve? Voahitsakitsaka ny zon’olombelona satria tsy nodimandry fa tena novonoina ary habibiana, tsy mendrika ny maha Malagasy ireny ary misy alahelon’olona nahafatesana telo io tsena atao io, raha ny heviny. Mila harovana ny vahoaka, hoy izy. Mikasika ny valanaretina, dia tsy mangaraharaha ny fitantanana ny zava-misy, ary hombany manana ny voalazan’ny depioten’i Toamasina fa tsy mitombina ny resaka isa. 656 ny voa, ka ho sahin’ny mpitondra ve no hilaza amin’ny alahady fa andeha hatao ny fialana amin’ny fihibohana. Raha hotohizana dia aiza ny tohana? Ny 82% amin’ny mponina any Ambanivohitra, dia tsy afaka miakatra mitondra ny vokatra. Ny mpiasa tsisy vola miditra, tsisy hanin-kohanina. Fa mety hisy kajikajy politika faha-3 hoe andao tohizana hahafahana mifehy ny 26 jona, ka inty aho ho eto fa hotohizany io, hoy I Marc Ravalomanana. Tsy izaho no tokony hamaly na hotohizana na tsia na izany aza, hoy izy.

ANDRANA AMIN’NY TSINDRONA

Raha ny zava-misy maneran-tany dia tsy mbola misy fanafody sy fanefitra na milaza aza ny mpitondra eto fa efa manana. Tsy manaraka ny fenitra ara-tsiantifika, ary mila fankatoavana avy amin’ny OMS. Ny isa miakatra hatrany eto. Tsy atao andrakandrana no betsaka fa aina no tsaboina. Misy ny “Déclaration d’Helsinki” izay tsy maintsy ifanarahana amin’ny marary. Eto amintsika dia olona efa voan’ny covid-19 izao dia hoe maty nananton-tena. Nanao ahoana ny tohin’ny fanadihadiana? hoy i Marc Ravalomanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT