Politique

Marc Ravalomanana «Atombotsika ny fihavanana !»


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011

Olona miramiran’endrika, toa be fanantenana amin’ny hoavy, miakanjo fotsy manjopiaka misy sarin’ny filoha Marc Ravalomanana, toa milaza fa izy ary izy hatrany no ao am-pon’izy ireo ary andrandrainy hiverina an-tanindrazana amin’izay hanavotra an’i Madagasikara, sy hamarana tanteraka izao krizy izao.

Izay no kisary hita teny amin’ny kianja Meva SAVA, Ambatomirahavavy PK 22, izay nangorompotsy tanteraka ny sabotsy 15 janoary lasa teo nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2011 nataon’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM). Olona avy amin’ny lafivalon’ny nosy no nirohotra teny, nahitana tanora, vehivavy, olom-boafidy, mpiasam-panjakana, mpandraharaha, tantsaha, eny hatramin’ny miaramila koa aza … Tsy nahagaga raha tsy nahatana ny hafaliany ireo zanak’Itasy, tarihin’i Rodin Rakotomanjato (depiote voafidy tao Arivonimamo), nandray ireo vahoaka marobe sady nilaza fa “roa taona ny TIM no nopotehana fa tsy rava”. Manaporofo izany ity hetsika tamin’ny sabotsy ity fa velona, manana fototra ary matanjaka ny TIM. Tsy nanakana an-dRamamonjisoa Benjamin hanao tsiahy fohy ny tantara sy ny lalana nodiavin’ny antoko anefa izany. Izy rahateo tsara toerana amin’izany, noho izy anisan’ireo mpisorombe tamin’ny nananganana ny Tiako I Madagasikara ny taona 2002.

Niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby ihany koa ny filoha mpanorina, Marc Ravalomanana, niarahaba sy nankahery ireo mpiara-dia aminy. Ambetin-teniny tamin’izany ny tokony hampanjakana ny firaisankina sy ny fihavanana. “Atombotsika amin’izao fihaonana izao ny fihavanana rehetra”, hoy izy. Izay nampiany fa “ahoana moa no hihavanantsika amin’ny hafa raha ohatra ka isika samy isika tsy mifankahazo tsara”. Na izany aza dia nanafatra ny tenany : “Tandremo tsara ny amin’ireo olona mampiasa ny anarana ‘Tiako i Madagasikara’ any ivelambelany any. Ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka no ambony indrindra fa tsy ny an’ny tenany na ny sezany”, hoy izy. Tetsy ankilany dia nambarany fa “tsy maintsy mamaritra ny sori-dalana mazava amin’ity taona ity”. “Misy ny laharam-pahamehana ary tsy maintsy miasa miaraka isika hanatanterahana izany. Mila mivondrona sy matanjaka tsara ny «Tiako i Madagasikara» manerana an’i Madagasikara”, hoy izy izay nanome toky fa “tsy maintsy ho taonan’ny fahombiazana sy ho taonan’ny rariny sy ny hitsiny ity taona ity”.

Nandritra io fotoana io no nanehoan’i Mamy Rakotoarivelo ampahibemaso ireto mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny TIM, ary nilazany fa mijoro sy miasa ny TIM, ary hitety faritra hampisehoana fa izy no mbola antoko matanjaka eto Madagasikara ary miomana handresy amin’izay fifidianana rehetra ho avy eo. Mikasika ny fananganana tetezamita izay mahabe resaka amin’izao fotoana izao indray dia basy atifi-kavana ny an’ny TIM : miara-mitondra fa tsy misy ho mpitazana fotsiny eto. Momba ny dinika ifanaovana etsy sy eroa indray dia misokatra ary vonona amin’ny fifampidinihana hatrany ny TIM, hentitra anefa ny tenin’izy ireo : miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra ary milatsaka hofidiana ny filoha Marc Ravalomanana. Nisy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana tamin’io fotoana io, Asaramanitra rahateo ny andro.
 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Nangorom-potsy teny Ambatomirahavavy ny sabotsy teo (sary : Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT