Tsy rariny intsony zavatra mahazo ny firenena. Izay mihetsika tonga dia
henjehina, didy jadona no iainana,… hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nisy moa omaly ny fivorian’ireo Vondron’ny olom-boafidy na “Colléctifs des élus” avy amin’ny TIM nandinika sy nampitana ny fitsipika anatin’ny antoko, ny fametrahana ny fifampitokisana,… Ny mpanohitra RMDM, TIM, Panorama, dia tsotra ny anay hoe ampiharo ny Fanjakana tsara tantana, ny fanafoana ny kolikoly, fanafoanana ny fampitagorana, fanagadrana,… Very ny zo aman-kasin’ny olona kanefa olona mba manana ny hajany ihany izy: efa tale jeneraly, mba minisitra ihany izy, hoy i Marc Ravalomanana eo anatrehan’ny fanagadrana mandeha. Tsy misy olona tonga lafatra, kanefa dia misy mihitsy ny “cellule” manao hoe izao no didy havoaka, atao fitaovana ny fitsarana,… Ny fampitahorana etsy sy eroa, ka izahay tsy hangina mihitsy, hoy izy. Olona mba samy mino an’Andriamanitra ihany isika, kanefa izaho tsy hitsara anareo fa mba jereo tsara ihany hoe mety ve ny ataonareo? Tena mandeha amin’ny fitantanana firenena ve ianareo ? Hoy ity Filoha teo aloha ity. ‘
“TSY HANASOHASO ANAREO NO ATAONAY ETO”
Mikasika ny fanakanana ny hetsiky ny mpanohitra dia nambarany fa manana zo hiteny sy hivezivezy ny rehetra, ary ny fihetsiky ny mpitondra no arahin’ny vahoaka. Manara-dalàna izahay, ary tsy manao fihantsiana mihitsy. Tenina indray izao ny hoe mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana, ka inona no antony hisian’ny mpanohitra? Izahay efa niteny fa tsy manaiky an’io. Tsy hanasohaso anareo mihitsy izahay, ny tsy mety sy ny tsy faharahan-dalàna ataonareo. Lanjalanjao tsara ny zavatra tenenina, ary ampisao tsara ny fahaizana raha manam-pahaizana ianareo, fa tsy hangina mihitsy ny mpanohitra raha mbola tahaka izao ny zavatra ataonareo, hoy i Marc Ravalomanana. Ary raha misy mampitahotra dia ataovy izay ataonareo fa ho hitantsika eo. Ataovy izay ataonareo, fa mahafantatra ny tokony hataony ireo olona ireo. Izay indrindra no no hilazako sy ampahantarako ny Vondrona iraisam-pirenena hoe eto Madagasikara tsy misy izany tany tan-dalàna izany ho an’olon-tsotra, ho an’ny mpanohitra,… Eto Madagasikara tsy misy an’izany hoe mba mangarahara izany ny fitantanana izay fanomezana azo. Tsy hisy fampandrosoana an’ity firenena ity raha tsy misy ny fitoniana politika. Tonga sy azo izany rehefa misy ny fifanakalozan-kevitra. Nahitsy i Marc Ravalomanana naneho tsy mitady fiaraha-mitantana, ary samy manana ny fahaizany. Asehoy ny anareo ho hitanay, dia asehonay indray ny avy eo, hoy izy. Matoa izahay miteny izany dia fantatray “qualification” anay, fantatray ny fifandraisana anananay, fantatray ny fitiavan’ny olona anay, hoy ity Filoha teo aloha ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.