Tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny intsony izao fa fotoanan’ny fandraisana andraikitra, hoy ny filoha Marc Ravalomanana raha niarahaba ny vahoaka Malagasy tratry ny Asaramanitra ny tenany.
Tsy fotoana fieritreretana valifaty koa izao, hoy ihany izy fa fotoana hijoroana am-pahasahiana, hanaovana ezaka manokana amin’ny fampihavanam-pirenena. Ankoatra izany dia nambarany ihany koa fa tsy fotoanan’ny ady lahy politika sy ny fifanenjehana tsy ahitam-bokatsoa fa fotoanan’ny fifandrindram-pihavanana sy fifanantonana miresaka, ahafahana miroso amin’ny vahaolana milamina sy maharitra. Ny fampihavanam-pirenena sy ny fampanjakana ny tena demokrasia ihany no hany lalana tokana hananganantsika Firenena vanona sy hialantsika amin’izao krizy mianjady eto amin’ny tany sy ny fanjakana izao, hoy ihany Marc Ravalomanana. Indro àry ny lahateniny tamin’izany :
“Nivalona tanteraka ny taona 2010, tapitra hatreo ny 365 andro. Handia ity taona vaovao 2011 ity isika, koa tonga miarahaba antsika rehetra tratry ny taona aho, eny fa na dia aty lavitra aty aza no misy anay dia tsy manadino fa mirary soa ary miarahaba tratry ny taona. Enga anie ity taona 2011 ity mba ho taonan’ny fihavanana, filaminana ary fampandrosoana. Andriamanitra tompon’ny hery rehetra, mahefa amin’ny zavatra rehetra anie hahatanteraka izany fikasana tsara rehetra ao anatitsika izany ary dia samy ho salama tsara isika rehetra ka hantanteraka ny adidy aman’andraikitra tandrify antsika tsiraoray avy.
Ny taona 2010 no tapitra, fa ny krizy ara-politika izay ny niteraka izao fahasahiranana goavana tsy nisy toa izany izao mbola mitarazoka ihany. Miantso ny vahoaka Malagasy rehetra aho amin’izao vanimpotoana izao : henoy ary diniho lalina ny feon’ny fieritreretanao !
Ho anareo izay mihevitra fa mahazo tombotsoa amin’izao krizy izao, jereo amin’ny fo tsy miangatra ny manjo ireto mpiara-belona amintsika.
Azoko sary an-tsaina ireo renim-pianakaviana tsy mba manan-katokona, ireo ankizy mipitrapitra; tsy afaka mandeha mianatra ary tsy mba manana kilalao, ny raim-pianakaviana, very asa, ka tapitra namidy mbany ny fananana; ireo tanora izay nanofinofy sy nihevitra ny hoaviny; toa very fanahy mbola velona ka mametram-panontanina hoe: aiza ihany izy ity e!... Diso fanantenana tanteraka.
Ireo izay tsy salama sy ireo mbola any amin’ny hopitaly; tsy ampy ny vola ividianana fanafody ka misambotra etsy sy eroa.
Ireo gadra politika; hay ka ny fitakiana ny ara-dalàna sy ny fijoroana ho an’ny Tanindrazana no nahatonga azy ireo ho any am-ponja.
Tsy fotoana ny fifanomezan-tsiny intsony anefa izao fa fotoana hibanjinana ny hoavy sy handraisana andraikitra; hikatsahana ny soa sy ny tsara hoan’ity Firenena malalantsika ity.
Tsy fotoana fieritreretana valifaty izao, fa fotoana hijoroana am-pahasahiana, hanaovana ezaka manokana amin’ny fampiahavanam-pirenena.
Tsy fotoanan’ny ady lahy politika sy ny fifanenjehana tsy ahitam-bokatsoa fa fotoanan’ny fifandrindram-pihavanana sy fifanantonana miresaka, ahafahana miroso amin’ny vahaolana milamina sy maharitra.
Ny fampihavanam-pirenena sy ny fampanjakana ny tena demokrasia ihany no hany lalana tokana hananganantsika Firenena vanona sy hialantsika amin’izao krizy mianjady eto amin’ny tany sy ny fanjakana izao.
Mino sy matoky aho, fa ny fiaraha-miasan’ny Malagasy samy Malagasy ary ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena, dia hametraka an’i Madagasikara indray amin’ny toerana maha izy azy eo anivon’izao tontolo izao.
Izao àry no hafatro ho an’ny Malagasy rehetra amin’izao voalohan’ny taona izao : aleveno impito mandifitr’olona ny hevitra mampisara-bazana, ary ampandefero ny hambom-po diso toerana. Hajao ny soatoavina maha-Malagasy antsika. Andeha hiray hina sy hiasa miaraka hoan’ity Firenena malalantsika ity. Ny firaisan-kina sy ny ezaka iombonana no antoky ny hoavin’ity Firenena ity. Hahazo tombotsoa amin’izany avokoa isika rehetra rehefa milamina sy mandroso i Madagasikara.
Manàna toe-tsaina sy fomba fijery vaovao, ry Malagasy tia Tanindrazana; mandalà ny Fihavanana sy ny fitiavan-tanindrazana marina; mikatsaha mandrakariva ny tombontsoa ambonin’ny Firenena; mahaiza mamaritra ny laharam-pahamehana; hamafiso sy ampanjakao ny tena demokrasia; ary miasà miaraka hisian’ny fampandrosoana haingana sy maharitra an’i Madagasikara.
Resy lahatra, ary vonona hiasa miaraka amintsika ny Fianakaviambe iraisam-pirenena raha tanterahintsika tokoa izany fanamby lehibe izany. Ho tafaverina ny fifampitokisana ary ho azontsika ny fankatoavana.
Matoky aho ary mino aho fa olon-kendry ny vahoaka Malagasy; mahalala ny tokony hataony.
Tsy ho ela dia hiverina eto amintsika ny delegasion’ny SADC hamarana ny tatitra izay ho ataony any amin’ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina ho atao any Addis Abeba amin’ity faran’ny volana ity.
Ho tafajorontsika ny governemanta iombonana sy ireo rafitra rehetra ahafahana manantanteraka ny tetezamita; ho azontsika tsy ho ela ny fankatoavana iraisam-pirenena.
Manome toky aho ary hitondra ny anjara birikiko amin’ny fanampiana ny ahazoantsika izany fankatoavana sy faneken’ny firenena rehetra sy ny mpamatsy vola an’i Madagasikara izany. Ankehitriny tokoa mantsy dia tapaka sy foana avokoa ireo fanampiana an’i Madagasikara noho ny sazy mihatra an’i Madagasikara.
Hoy aho aminareo : zava-dehibe izao fotoana iainantsika izao koa henoy ny feon’ny fieritreretana fa tsy fotoana hieritreretana valifaty intsony izao, tsy fotoana ifanomezan-tsiny intsony izao fa fotoana hamolavolantsika sy hananganantsika Firenena tena vanona. Ho tanterahintsika tokoa anie izany raha tena manana fahavononana ara-politika sy manana fahasahiana mijoro isika hampandefitra ny hambom-po diso toerana.
Andriamanitra tompon’ny hery rehetra anie hamafy hery ho antsika ary hanoro lalana antsika ahafahantsika manatanteraka izany fikasana tsara sy fanamby lehibe izany ary dia tena ho taonan’ny filaminana, fampandrosoana ary fananganana firenena vaovao izany ny taona 2011.
Dia manantitrantitra ny fiarahabana tratry ny taona ; ho samy ho tratry ny taona mitsingeringerina indray anie isika mianakavy.
Samy ho tahin’Andriamanitra, homba antsika Andriamanitra».
Marc Ravalomanana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.