Politique

Marc Ravalomanana “Akatony ny MBS raha sahy ianareo”


  • Talata 11 Aogositra 2020

Ny 30 jolay teo no nandefasan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina taratasy manambara ny fanafoanana ny fifanarana fampiasana tany an-taonany maro na “bail amphytéotique”

 

 

 

 mikasika ny tany misy ny MBS eny Anosipatrana nanomboka ny 8 aogositra 2000, niantefa tamin’ny mpitantana ny haino aman-jery MBS. Nanome fe-potoana 6 volana ny ben’ny tanàna. Nahitsy fitenenana i Marc Ravalomanana omaly tetsy Bel'air momba io raharaha io, ary niantso ny ben'ny tanàna Naina Andriantsitohaina mba hijery sy handinika tsara ny atao hoe "bail emphytéotique" . Tsy misy lalàna afaka manafoana, ka jereo tsara aloha hoe azo atao sa tsy azo atao. Jereo dia ianaro aloha mianara, rehefa mahay ianao dia ho fantatrao hoe azo atao sa tsia ny manafoana azy, hoy izy. Aza matikenamaso fotsiny ianao fa diniho tsara. Izao ianao vao mianatra politika ka aza milingilingy amin'ny zavatra tsy hay, hoy hatrany I Marc Ravalomanana. Raha sahy ianao dia andana akatony. Zavatra tsy fanao izany, izany no atao hoe: “honnêteté intellectuelle” mba mahafantatra tsara ny tokony hatao, fa raha akatonao ny MBS satria an’ny mpanohitra, dia tokony hakatona avokoa izany ny hafa, hoy izy. Fandrangitana daholo ireny satria hoe an’i Marc Ravalomanana izay mpanohitra, hoy ity Filoha teo aloha sady mpitarika ny mpanohitra ity.

 

Tsara ho marihana fa 50 taona no faharetan’ny “bail emphytéotique” momba ity tany eny Anosipatrana ity; izany hoe tapitra amin’ny 2050 ; mbola azo havaozina arakaraky ny fifanarahan’ny tompon-tany sy ny mpanofa.2500 m² no velaran’ny tany misy ny MBS eny Anosipatrana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT