13 oktobra 2014-13 oktobra 2020, feno 6 taona katroka anio ny nipotran’i Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra nilazany fahatongavany indray an-tanindrazana, rehefa voatery nitsoaka an’i Madagasikara ny martsa 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana notarihin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina izy.
Mbola baraingo sy feno misitery mandrak’androany ny fomba nahafahany niala teto Madagasikara sy ny nahafahany ihany koa niditra teto.Ny fantatra fotsiny dia mbola tao Iavoloha izy ny 16 sy ny 17 martsa 2009, efa tsy nisy elikoptera intsony tao tamin’ireo daty ireo.Tany Swaziland sy Afrika atsimo no nialokaloka i Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany, ary avy any Afrika Atsimo indray izy no nianga ka tonga teto Madagasikara.Efa eto aho izao fa aza anontaniana hoe ahoana no nahatongavako teto hoy i Marc Ravaloamana teny Farvohitra ny marainan’ny 13 oktobra 2014.Ny atoandron’io ihany mo aizy dia nosamborina sy nogadraina tany Antsiranana. Ny tsikaritra hatreto dia tsy mbola milamina ny fifandraisan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.
NY TAORIAN-DRAVALOMANANA
Taham-piakaran’ny toekarena na “taux de croissance” 7,1% sy ny tahirim-bola vahiny manodidina ny 2 miliara dolara no tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara nialohan’ny nionganan-dRavalomanana ny 2009. Laharana faha-123 amin’ny 188 isika tamin’ny resaka fahantrana ny taona 2008, ary faha-85 tamin’ny ady amin’ny kolikoly. Lasa faha-151 sy faha-133 kolikoly ny taona 2009-2014. Faha 185 amin’ny 188 mahantra indrindra ary 158 amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly aty amin’ny 2019-2020. Marina fa mahatsapa ho miezaka sy tena manao angamba ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany, fa raha refesina amin’ny lafiny sosialy sy toekarena, dia nitsotsorika foana ny fiainan-dRamalagasy taorian’ny fandraisan-dRajoelina ny fitantanana ny firenena in-droa nisesy dia ny 2009 sy 2018. Ny 2018, dia mbola Ravalomanana no mpifanandrina tamin’ny fifidianana, ary nilefitra. Niala teo Atoa Hery Rajaonarimampianina 5,2% ny fiakaran’ny toekarena, kanefa -1,2% kosa ankehitriny. Tsy afaka hialana bala ny coronavirus satria ity fitondrana ity dia nolazaina fa efa niomana 4 taona, efa naseho ny IEM sy ny mpamatsy vola. "Hatramin’izao 0 ariary, 1 miliara dolara ny hetra miditra aminao, kanefa ny tetikasa avoakanao 35 miliara miliara dolara, ka na zazakely T3 aza ve tsy mahatakatra hoe tsy “possible” izany? hoy ny mpanao politika iray nanohana ny Filoha Rajoelina teo aloha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.