Tsy adinon’ny mpitondra ankehitriny ny manaratsy hatrany an’i Marc Ravalomanana na efa 13 taona aza izay no nanonganan’izy ireo azy tsy ho Filoham-pirenena, ary mbola atahorana mafy ihany, ka tsy maintsy haratsiana.
Isan’ireo lohalaharana amin’izany ny Minisitry ny serasera ankehitriny, izay namerimbeina ny faran’ny herinandro teo fa: mpanao ampihimamba, tsy hiova intsony, efa tokony hisotro ronono i Marc Ravalomanana, efa hita ny fetrany, efa 73 taona,...ka nanaovany vava hoe: maninona no tsy nampiharina nandritra ny 7 taona ilay vahaolana resahina. Naongana i Marc Ravalomanana fa manao ahoana ny fari-piainan’ny Malagasy tamin’ny fotoan’androny sy ankehitriny? Tsy misy ampihimamba intsony sa vao mainka zava-doza? Nambaran’io Minisitra io fa tsy amin’ny alalan’ny fanaovana an-tery eny an-dalambe no hamaha ny vidim-piaianana izay iainan’ny firenena manerana izao tontolo izao. “Aoka tsy handairana fihantsiana ny vahoaka. Marina fa ambony ny maripana vokatry ny fiainana andavanandro fa mila fitoniana mandrakariva. Aleo tsy misy afatsy ny fanarahana ny voalazan’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery, ny fitsipi-pifehezana no hitondra filaminana ho an’ny firenena. Rehefa tsy misy fandranitana amin’ny fitadiavan-tseza, tsy tonga amin’ny krizy politika”, hoy izy. Tsarain’ny tantara ny Fanjakana ankehitriny, miezaka mandamina sy mampandry adrisa amin’ny hoe: efa miezaka ny Fanjakana. Tsy resaka fanindrahindrana tsangan’olona, fa afaka mampitaha tsara ny rehetra hoe: nanao ahoana ny fiainam-bahoaka taloha sy taorian’ny 2009? Tsara hatrany ihany koa anefa no mampahatsiahy fa fanonganam-panjakana nilafika tao anaty rà mandrika ny nakan-dRajoelina fahefana ny 2009. Tamin’izany no nandorana ny RNM, TVM, MBS, fananan’olona maro. Nohozongozonin’ny volomboasary hatramin’ny farany ny HVM niainga 2014 rehefa tsy nety natao saribakoly, ary niafara tamin’ny fiaraha-mitantana ny 2018. Lasa mpanome lesona amin’ny resaka fanajana ny lalàmpanorenena ny Fanjakana Rajoelina ankehitriny rehefa mihozongozona noho ny tsy fahombiazana! Raha izy ireo no eo amin’ny toerana, azo antoka 100% fa efa nilanja vatam-paty teny amin’ny kianjan’ny 13 may. Mipetraka ho tantara hatrany ireny ary tsy misy maniry ny hiverenan’ny krizy sy fanonganam-panjakana, saingy mila tsiahivina ny tantara satria misy manao ririnin-dasa tsy tsaroana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.