Politique

Marc Ratsisalovanina Nohainoan’ny zandary indray


  • Talata 21 Desambra 2010


Niakatra tetsy amin’ny zandary misahana ny heloka bevava omaly ny vinantolahin’ny Profesora Raymond Ranjeva. Mazava ho azy fa noho ny raharaha BANI indray no antony nihanoana an’io farany. Olona roa izy ireo no nanaovan’ny zandary fanadihadiana ka amin’ny alarobia izao, amin’ny iray ora no hohenoin’ny sojaben’ny mpitsara mpanao famotorana ny tenany. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny zandary etsy Fiadanana dia mbola misy olona efatra hafa hohenoina amin’ity raharaha BANI ity. Ny momba ireo manamboninahitra indray dia mbola mitohy ny fivezivezen’ireo etsy Anosy mba hohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana. Tsy maintsy vita amin’ity taona ity ny fikatonan’ny dosien’izy ireo mba hahafahana mitsara ny raharaha amin’ny 19 janoary 2011, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitsarana. Io izany no raharaha lehiben’ny taona 2009 izay hotsaraina voalohany amin’ny fisokafan’ny fitsarana amin’ny 2011. 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT