Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.
Efa hatombony izao sahady izany na dia efa mamaramparana ny fotoam-piasana aza ny tenany, raha araka ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Anisan’izany ny fanamboarana ireo lalankely manerana ireo fokontany 20 mandrafitra ity kaominina ity, famatsiam-bola avy amin’ny AFD. Toraka izany koa ny fanohizana ny fampidirana jiro, iarahana amin’ny Usaid, ny fametrahana paositra sy ny kaomisarian’ny polisy fotodrafitrasa vaovao vao hotokanana ato ho ato avokoa, raha mbola asa vaovao miandry ny fananganana “hotel de ville” ho an’ny kaominina Alasora. Hisy ihany koa ny fanatontosany ny fandaharan’asa vaovao. Marihina moa fa nizara fotsimbary ho an’ireo zokiolona manerana ny kaominina iadidiany ny Ben’ny tanàna Marc Ramiaranjatovo ny sabotsy teo. Zokiolona manodidina ny 2.000 isa no nahazo tombontsoa tamin’izany, hetsika efa fanaony isan-taona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.