Mazava tsara izao fa araka ny efa nambara teto dia tsy maintsy mampitovy ny tadin-dokanga amin’ireo mpiara-miasa akaiky amintsika avy any ivelany aloha ny filoham-pirenena izay vao manendry ny praiminisitra sy manangana ny governemanta.
Nidinika ny momba ny mety ho endrik’ilay governemanta vaovao ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy Rtoa Samantha Power masoivohon’i Etazonia eo anivon’ny Firenena Mikambana sady mpanolotsain’i Barack Obama raha nihaona ny alatsinainy lasa teo. Vonona ny hanampy antsika ny Amerikanina saingy mametraka fepetra dia ny fanohizana ny fampihavanam-pirenena sy ny fananganana governemanta misokatra amin’ny hery politika rehetra. Ankoatra izay moa dia takian’ny Amerikanina ihany koa ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanamafisana orina ny demokrasia, ny famoahana ireo gadra politika ary ny fanajana ny zon’olombelona indrindra ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy.
Mitaky ny hanajantsika ireo fepetra ireo ihany koa ny Firenena Mikambana. Azo antoka fa hampihatra izany rehetra izany i Hery Rajaonarimampianina izay efa nilaza fa hanendry ny praiminisitra izy vantany vao tafaverina eto Madagasikara. Tapitra hatreo izany ny nofinofin’ny MAPAR hidongy seza, fa na eny amin’ny Parlemanta io na ao anatin’ny governemanta dia tsy maintsy hita ao ireo hery politika rehetra. Hita ho tohin’ny lojika politika eto amintsika ihany izany satria ny rehetra anie dia samy mahafantatra fa hafahafa iny fifidianana filoham-pirenena iny e ! Ary tena fahadisoan-kevitra ny milaza fa manana ny maro an’isa tena matanjaka ny MAPAR.
Azo hanazavana ny fihetsiky ny ankolafy Rajoelina niha nalefaka tato ho ato izay izao zava-misy izao, ary manamarina ny vinavinan’ny mpanara-baovao politika fa dia ho vita hatreo ny MAPAR ; mety samy hafoiny na ny Birao maharitra na ny Praiminisitra. Mitohy ny fiaraha-mitantana satria mbola anatin’ny fampihavanam-pirenena tanteraka ny eto Madagasikara, anjaran’ny filoham-pirenena no mandrindra izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.