Mahalana no ahitana an’i Manoro Régis mandray anjara fitenenana amin’ny hetsika ankalamanjana ataon’ny Ankolafy Telo. Niseho izy omaly, ary toa nandrasany mihitsy ny hetsika teny Alarobia nanaovany vaky bantsilana ny fihetsiky ny ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Jean-Marc Châtaignier.
Tsy nafeniny koa ny ahiahiny amin’ny hoavin’i Madagasikara. Nohamafisin’ity mpitondra tenin’ny Ankolafy Zafy ity fa lalana mety indrindra hivoahana amin’ny krizy ny «Maputo-Addis Abeba» nefa hatramin’ny voalohany dia fitafitapihan’i Andry Rajoelina hatrany. Notanisainy ny sori-dalana Ramino Paul-Chataignier. Ity farany no nitsipaka voalohany ny Maputo-3 nefa fantany tsara fa nantsoina izao i Andry Rajoelina handray anjara tany. Ohatra faharoa ilay sori-dalana nentina tany Prétoria (Afrika Atsimo) izay avy any amin’ny Frantsay, Chataignier sy Alain Joyandet. Ohatra fahatelo dia manindraindra hatrany ny Dinika Santatra, Assisse Nationale, Fihaonambem-pirenena… i Chataignier fa tsy mankasitraka ny ezaka ataon’ny CNOSC indrindra fa ny GIC, nefa ao antin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny GIC ary Lafrantsa ao anatin’izany.
Nanao vaky bantsilana mihitsy i Manoro Régis omaly ary nilaza fa mampirisika ireo antoko politika sasany ity diplaomaty vahiny ity mba handray anjara tamin’ny referandaoma farany teo mba hampisy lanjany iny fifidianana tamin’ny 17 novambra iny hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena. Tsy misy dikany amin’i Chataignier mihitsy ny hevitry ny hafa, hoy i Manoro Régis, izay nanohy fa fifidianana ihany no asesik’i Chataignier fa ny fampihavanana tsy resahiny satria ve mandalo fotsiny izy ka raha hisy krizy indray amin’ny herintaona dia tsy anjarany ? Rehefa izay dia nanao fanamarihana i Manoro Régis nilaza fa «rehefa nanaki-ana ny Amerikana dia avo vava ny FAT nefa raha niteny ny tokony handravana ny FIS i Chataignier tamin’ny14 jolay 2010, zara raha nisy teny kely».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.