“Hiaina ny fifandeferana ahafahana mifanakalo hevitra ho any amin’ny fampandrosoana sy fanatsarana hatrany ny tontolon’ny fanabeazam-pirenena”, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Pr Manoro Régis, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy sy nanetriketrika ny taom-pianarana 2012-2013.
Hafatra nanonkana no natolony ireo ray aman-dreny : “ampidiro an-tsekoly ny zaza fa ny fianarana no manala fahasahiranana ka hampisy indray ny firaisankinantsika Malagasy”.
Tamin’ny fandalovany tany Toliara no nanomezan’i Manoro Régis baiko hentitra ireo olom-peheziny (DREN, Sefo Cisco), raha namaly ny fitarainan’ny Sempama tarihan’Atoa Ratolonjanahary Arsène ny tenany “atsaharo manomboka izao ny famindran-toerana mpampianatra”. Pi-maso no nataony ho an’ireo mpanabe mbola mitokona. “Miverena mampianatra amin’izay ianareo fa haverintsika ny hasin’ny mpanabe sy ny fanabeazana amin’ny sekolim-panjakana”. Toky no nomen’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ho an’ireo FRAM “fa tsy maintsy hisy ny fandraisana mpampianatra vaovao karamain’ny fanjakana sy ho mpiasam-panjakana”.
Fotodrafitrasam-pampianarana manara-penitra dimy no notokanana ny zoma 16 novambra teo, anisan’izany ny “Espace numérique” hikirakiran’ireo mpampianatra ny tontolon’ny Internet sy ny informatika, enti-mampiofana sy mampiana-tena. “Tombony lehibe ho an’ireto mpampianatra ireto ny fisiany satria izy samy izy ihany no mifampianatra sy mifanakalo fahaiza-manao sy traikefa, mba entina hatrany hanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana eto amintsika», hoy ny DREN Atsimo Andrefana, Atoa Nahory. Nambaran’ity talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ity, fa “solosaina 30 raitra sy hiaka farany no ampiasaina ato”.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.