Politique

Manoro Régis Kandida depiote any Sambava ?


  • Alatsinainy 19 Novambra 2012

Re izao fa manana eritreritra ny ho kandida amin’ny fifidianana depiote any amin’ny Distrikan’i Sambava, ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Pr Manoro Régis ary efa miomana ny amin’izany, no sady efa manana ekipa hiara-miasa aminy.

 Tsy misy maharatsy ny faniriana ho solombavambahoaka mihitsy, ary fifidianana tsy maintsy hatrehana koa moa izany saingy ny mampanahy dia sao lahy ka mampiasa ny fahefana eo am-pelatanany amin’ny maha minisitry ny fampianarana azy ingahy Manoro Régis, ka hanao izay fomba rehetra hahavoafidy azy, eny fa na dia mampiasa, na manindry bokotra ireo mpampianatra any amin’ny faritra aza. Ny ministeran’ny fampianarana mantsy no azo ambara fa tena manana rantsamangaika amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy miainga amin’ny Faritra izany mandalo ny Distrika sy ny Kaomina, eny fa na hatrany amin’ny Fokontany aza. Efa niaraha-nahita rahateo ny fampiasana ireo DREN, chef Cisco na chef Zap nataon’ny ministeran’ny fampianarana mba hamonoana ny hetsiky ny Sempama.

Dia mazava be fa mety ho azo ampiasaina tsara mihitsy hanaovana propagandin’ny minisitra izy ireny, dia mody atao matetika ny fanampiana sekoly sy fizarana “kits scolaires”, na fametrahana “cantine scolaire” manara-penitra ao amin’ilay faritra mety hilatsahan-kofidiana. Tsy ferana koa ny mety ho fanambazana ny famerenana karama ho an’ireo mpampianatra tapaka karama noho ny fandraisany anjara tamin’ny hetsiky ny Sempama sy ny tsy famindran-toerana miendrika sazy raha toa ka mifanaraka, araka ny resaka mandeha taorian’ny fanamarihana ny fanombohan’ny taom-pianarana 2012-2013 tany Toliara ny faran’ny herinandro teo. 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT