Mifaninana sady manao fampisehoan-kery ireo mpitarika ny rafitra mpanatanteraka ny tetezamita.
Telo andro (29, 30 novambra ary 1 desambra), tany Sofia ny praiminisitra Beriziky Jean Omer, telo andro (30 novambra ary 1, 2 desambra) tany DIANA koa ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina. Mitovy ny anton-dia, dia fisantarana fanorenana fotodrafitrasa sy fitokanana zava-bita ankoatra ny fivoriana na famoriana olona. Ny zoma teo dia nisantatra ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidin’i Fascène ao Nosy-Be i Andry Rajoelina, avy eo nihazo an’Antsiranana, nitokana ny fahavitan’ny Trano Mora tao amin’ny Cité Mandroso, narahin’ny fitokanana ny hopitaly manara-penitra ny sabotsy ary nitohy omaly alahady tamin’ny fizarana ireo trano mora ny lanonana.
Ny praiminisitra Beriziky Jean Omer, niaraka tamin’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana, Ruffine Tsiranana sy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Razafindehibe Etienne Hilaire ary ny Kolonely Botomanovatsara, minisitry ny asa vaventy indray etsy andaniny nanokatra ny «Forum de Développement de la Région SOFIA», nokarakarain’ny «Cadres ny SOFIA Mifagnotrogno» tao Antsohihy, avy eo nanokatra ny atao hoe “Institut de Biologie Appliquée (I.B.A.)” izay sampan’ny oniversiten’i Mahajanga ao an-toerana. Nitohy tany Befandriana ny dian-dry Praiminisitra ny zoma, nitokana trano vaovao roa fanampiny ho an’ny Lycée ao an-toerana, izay fiaraha-miasa tamin’ny FID. Nikisaka tao Mandritsara indray ny 1 desambra, nametraka ny vatofehizoron’ny asa fanorenana oniversite ao an-toerana, haorina ao amin’ny Kaominina Antsoha.
Nandritra izany no nanaovana fampanantenana fa dia hamboarina faran’izay haingana ny lalam-pirenena faha-32, mampitohy an’Antsohihy amin’i Mandritsara. Asa na fifanandrifian-javatra na efa nomanina, fa raha nitokana hopitaly manara-penitra i Andry Rajoelina io 01 desambra io, dia nitsidika hopitaly «Vaovao Mahafaly» izay fotodrafitrasa anisan’ny lehibe ao Mandritsara koa i Beriziky Jean Omer, avy eo nanao batemy ny fanomezana anarana ny hopitalim-panjakana ao Mandritsara ho «Hôpital Philibert Tsiranana» araka ny fanirian’ireo Sojabe, mba ho fanomezam-boninahitra sy ho fahatsiarovana ity filoham-pirenena zanak’i Sofia ity.
Valalanina ny vahoaka manoloana ny fihetsik’ireto lehiben’ny mpanatanteraka ny tetezamita ireto. Raha ny fampandehanan-draharaha sy ny asa maika ary ny fanomanana fifidianana mantsy no tokony himasoan’ny tetezamita dia mihazakazaka amin’ny asa fanorenana sy fampiasam-bola maharitra. Dia mipetraka eto ny fanontaniana hoe : manam-piniavana hamarana ny tetezamita tokoa ve ary vonona hiroso amin’ny fanatanterahana fifidianana marina ve ny mpitondra ankehitriny ? Mazava ny valiny. Tsy nahafeno ny Place Ritz i Andry Rajoelina tao Antsiranana, na dia notaomina tamin’ny fiara aza ny olona avy amin’ireo Kaominina manodidina ary na teo aza ny artista goavana natao hisintonana olona. Ao raha !
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.