Politique

Manomboka ny “Miala Rajoelina” Manisa andro sy volana sisa ny fitondrana ?


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Manomboka miteny ny sora-baventy eny ho eny manao hoe: “Miala Rajoelina”, tahaka ny sora-baventy tazana tetsy 67 ha ny faran’ny herinandro teo.

 Ny vanim-potoana mafampana eo amin’ny firenena, ny fahatezeran’ny olona amin’ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana, ny fahatezerana ara-politika,… no isan’ny anton’ireny. Matetika arakaraka ny fanenjehana sy ny fampiasan-kery ataon’ny ny fitondrana no vao mainka mampirongatra ny fanehoana fahatezerana tahaka ireny. Betsaka rahateo ny tranga toa niteraka fahatezerana sy fahasorenana niseho ara-politika tamin’iny faran’ny herinandro iny. Teo ny fandrangarangana herim-pamoretana nataon’ny Fanjakana, izay midika fa tsy afaka mifehy ny toe-draharaham-pirenena amin’ny endri-pandaminana tsotra intsony izany, fa mandrangaranga hery. Teo ihany koa ilay resabe momba ny fisian’ny olona nosamborina teny amin’ny làlan’ny “By Pass” naneho fihetsika miendrika tsy fankasitrahana ny filoham-pirenena sy ny fanjakana tamin’ny alalan’ny tànana na “pousse inverse”, izay voalaza fa naiditra am-ponja vonjimaika. Poizina ary vao mainka mampitombo ny fahatezeran’ny olona ny karazana fanamparam-pahefana sy hetraketraka tahaka izany. Ny mitondra izany tokony hahazaka kiana sy tsikera, fa matoa ny Fanjakana iray na fitondrana iray tonga any amin’ny fanenjehana, fisamborana, fanagadrana, fampiasana ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ho fitaovana politika, manao izay tsy hiampitan’ny fanehoan-kevitra amin’ny fangejana haino aman-jery,… dia efa manomboka manisa andro izy izay, fa tsy ho tafajanonana ela intsony amin’ny fitondrana. Ny endrika isehoany no mety tsy ho fantatra mazava na mialoha na aorian’ny fifidianana. Rehefa tsy maharo tena amin’ny asa, famahana olam-bahoaka, fanjakana tsara tantana,… fa miditra amin’ny fampiasan-kery mivantana na ankolaka, dia ny saina no amboarina fa tsy maintsy hikoa na ho ela na ho haingana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT