Mandeha ny resaka ankehitriny fa miomana fatratra amin’izay mety ho fidiran’ny miaramila vahiny eto ny fitondrana tetezamita ka hampiditra miaramila vaovao an’arivony, vatan-dehilahy 1500 ka hatramin’ny 2000 no fantatra fa mety horaisin’ny tafika Malagasy.
Ary tsy hiandry amin’ny herintaona izany fa hovitaina amin’ity taona ity ihany. Toa efa nanome toromarika ny ao amin’ny ministeran’ny tetibola, sy ny ministeran’ny fiarovam-pirenena ary ireo manampahaizana momba ny lalàna miara-miasa aminy ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Fahefana avon’ny tetezamita mba hijerena ny fahafahana manatanteraka izany. Voakasik’ity antso ity manokana moa ireo zazalahy ampy taona efa nahavita ny fitsarana miaramila. Ny masoivoho filazam-baovao Frantsay AFP (Agence France Presse) moa no namoaka io vaovao io ny sabotsy 4 desambra lasa teo, taorian’ny resaka nifanaovany tamina mpiara-miasa akaiky amin’i Andry Rajoelina.
Voalazan’ity vaovao ity ihany fa toa hoe efa mandeha ny fandinihana ny paikady amin’ny fampidiran’ny SADC miaramila eto Madagasikara. Tsy hoe hanani-bohitra na hanafika anefa ireo miaramila ireo fa hiaro kosa ireto filoha mirahalahy teo aloha dia Atoa isany Ratsiraka Didier sy Ravalomanana Marc amin’ny fiverenan’izy ireo an-tanindrazana. Araka ny fandinihan’ireo mpanara-baovao politika azy dia dingana tsy maintsy andalovana izany satria efa nilaza Atoa Andry Rajoelina fa tsy hivory any ivelan’i Madagasikara intsony, ka ny hevitra hitan’ny sehatra iraisam-pirenena indray dia ny hampiditra eto Madagasikara ireo filohana ankolafy roa any ivelany, dia eto no tanterahana ny fihaonana. Efa am-bola maro moa no nandeha be ny feo amin’ity hoe fidiran’ny tafika vahiny eto ity, fa tato anatin’ny herinandro izao no tena niverimberina foana ilay izy, ary hita ho somary mikorapaka ihany ny FAT.
Atoa Manandafy Rakotonirina rahateo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny herinandro lasa iny dia mbola namerina fa ilaina ny fahatogavan’i Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka eto, ary ny tafika iraisam-pirenena no hiaro ny ain’izy ireo satria iaraha-mahalala ihany ny zavatra mety ho vitan’ny herim-pamoretan’ny FAT, fa izay rehetra tratrany dia voadaroka mandraingiraingy mihitsy. Fantatra ihany araka ity vaovao navoakan’ny AFP ity fa manohana io hetsika fampidirana ny tafiky ny SADC io ny firenena goavana maromaro sy ny fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa, ka anisan’izany ny CPI na ny fitsarana iraisam-pirenena. Azo adika koa anefa fa mety ho fanavaozana tsimoramora ny foloalindahy, izay mety tsapany fa tsy voabaikony tanteraka intsony no ataon’ny FAT amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.