Lanonana kitoatoa nametrahana Repoblika faha-4 kitoatoa ireny tamin’ny sabotsy 11 desambra natao teto Antananarivo ireny, araka ny filazan’i Manoela avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana azy.
Tena nahitsy fitenenana ity zanak’i Toliara ity raha nanambara fa : «tsy resaka fanavakavahana ara-pirazanana na ara-piaviana mihitsy ny ahy, fa raha izaho kosa aloha dia tsy hanaiky intsony izany famerenana ny fitondrana mpanjaka izany ; izay mantsy no fahitanay avy any amin’ny faritra ny fihetsik’i Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny raha niditra teny amin’ny rovan’i Manjakamiadana ka nikabary sy nanao ireo fitafin’ny Mpanjaka ary niaraka tamin’ny mpiambina nampitondrana lefona». Ho an’ity tanora mpanao politika avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ity dia tahaka ny mieritreritra ny tenany ho mpanjaka mihitsy i Andry Rajoelina ka mitady hamerina ny tantara.
Naverimberina ilay hoe ny arivolahy tsy maty indray andro, izay tarigetran’Antananarivo manokana fa tsy an’ny Malagasy, tsy tokony hohadinoina anefa, hoy i Manoela fa renivohitr’i Madagasikara Antananarivo ary tena mila fitandremana ny zavatra atao rehetra eto, indrindra fa ny fihetsiky ny mpitondra. Nanohy ny fanazavany i Manoela ka nilaza fa : «efa resabe any aminay any atsimo any sahady ireny fihetsiketsehana sy fomba fitafin-dRajoelina mivady sy ireo tandapa nanaraka azy tamin’ny sabotsy lasa teo ireny, ireny ve no fihetsika olona hitantana firenena, mahafantatra tsara ny mety ho akon’ireny ve i Andry Rajoelina ? Maro ny Malagasy tsy faly amin’ireny satria toa sanatria lasa fanindraindrana fomba avy amina faritra iray ilay fametrahana ny Repoblika vaovao, izay efa tsy naharesy lahatra ny maro an’isa akory. Tena fahadisoana tsy roa aman-tany iny nataon-dRajoelina iny ary ho sarotra aminy ny hanarina azy”.
Nametra-panontaniana moa i Manoela hoe : aiza ireo tena zanak’Antananarivo, taranaky ny mpanjaka nifandimby mitondra ny anaran-dray no tsy sahy mijoro miteny fa tsy mety ireny fihetsika ireny ary mety hanimba mihitsy ny fiarahamonina ? Efa tena lasa lavitra, hoy izy ny fihetsik’i Andry Rajoelina, ka rehefa avy nisora-tena ho mpitari-tolona sy filohan’ny tetezamita izy, dia toa nanandra-tena indray ho mpanjaka. Manaraka izany, dia tsy mety mihitsy araka ny fahitany azy ny nanapahana sy nanakatonana tsotra izao ny araben’ny fahaleovantena manoloana ny Lapan’ny tanàna, na inona na inona mety ho antony, satria voalohany indrindra aloha dia mbola ao anatina fitondrana tetezamita isika izao, no sady tsy lanim-bahoka i Andry Rajoelina, ary tsy fanao mihitsy izany tonga dia manakatona na manova anarana lalana efa nipetraka an-taonany maro sy nampalaza ilay tanàna izany.
Tsy afaka hanova ny tantara izany i Andry Rajoelina, araka ny nambaran’i Manoela satria tsy azy fa an’ny Malagasy rehetra ny tantara, ary tsy izay tiany akory no tsy maintsy marina sy tanterahan’ny rehetra. Fahatelo manaraka izany dia tsy hoe fanaovana tsinontsinona ny tanànan’Antananarivo fa amiko dia mbola ambony sy manana lanjany lavitra noho ny Lapan’ny tanàna ho an’Antananarivo renivohitra ny Radiom-pirenena malagasy izay nodorana tamin’ny 26 janoaray 2009 ary tsy noeritreretin’ny FAT harenina akory. Io anefa no mandeha manerana ny nosy, ary fitaovana raitra sy faran’izay tsara no tao napetraky ny fitondrana Ravalomanana, azo ambara mihitsy hoe vakoka mampiavaka an’i Madagasikara sy nitahiry ny tantaram-pirenena ny RNM, kanefa nahoana no hodiana fanina sy tsy noeritreretina amboarina mihitsy, hoy ihany i Manoela namarana ny fanehoan-keviny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.