Politique

Mangotraka ny lonilony diplomatika Tandindonin-doza ny fanjakana


  • Talata 12 Mey 2020

Tsy tongatonga ho azy ny lonilony eo amin’ny fanjakana Rajoelina ankilany sy Institut Pasteur de Madagascar miampy ny OMS andaniny, fa toa efa karazana lonilony ara-diplaomatika na “incident diplomatique” avo lenta.

 

 

 

Teo ny olan’ny antontan’isa izay efa nahitan’ny OMS fa 225 ny trangana covid-19 eto izay novainy avy eo, fa nifanandrify tamin’ny fanambaran’ny OMS aty Afrika nampitandrina mahakasika ny tambavy Covid Organics. Nandeha ny kihana maro fa tsy voahaja ny fenitra ara-tsiantifika. Tsy te hahalala izany ny fitondrana Rajoelina, fa mbola mitohy aza ny fanelezana azy any Afrika. Te hampiseho fa manana ny fiandrianany ny firenentsika ka tsy ilaina ny fitsabahan’ny vahiny. Nipoitra iny raharaha antontan’isan’ny IPM iny, tonga dia niahiahy ny fanjakana fa misy ifandraisany ireo satria hoe maro no tsy faly tamin’ny nahitantsika ny CVO. Nidingin-drambo ny mpitondra nilaza tamin’ny alalan-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy Mpitondra tenin’ny Governemanta, fa isika ve dia voatery handohalika amin’ny sehatra iraisam-pirenena? Toa nanenjika mafy ny IPM sy ny Iraisam-pirenena. Tsy azo nalamina tany ambadika ve ireny? Ny OMS nanome 3,7 tapitrisa dolara, ny Banky Iraisam-pirenena no mamatsy ilay 100 000Ar zaraina, ny IPM dia ana firenena tandrefana sy eken’ny iraisam-pirenena, ny fanampiana ara-bola 444 tapitrisa dolara dia saika avy ao anatin’ny rafitra “Onusiénne”, toy ny FMI, OMS,… Tsara ny fivoizana fiandrianam-pirenena sy fahavitan-tena fa tena afaka midingin-drambo amin’izany ve isika manoloana ny zava-misy ankehitriny sy ny tanjaky ny firenena? Tena afaka mifampitandroka amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo mitovitovy aminy ve? Mampanahy ny fandehan-javatra, raha tsy mitandrina i Andry Rajoelina sy ny ekipany ao anatin’izao raharaha avo lenta izao!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT