Mitana ny sain’ny maro indray amin’izao fotoana ny raharahan’ny haino aman-jery MBS, izay afaka 6 volana dia tokony hiala ao Anosipatrana araka ny didy navoakan’ny CUA sy ny fanakatonana koa ny Magro AAA Behoririka sy ny orinasa Tiko sy AAA ao Ambodioanambo Toamasina.
Noho ny tsy fanajàna fifanarahana sy tsy fandoavan-ketra moa izany no antony izany raha ny fiarovan-tenan` ny fitondram-panjakana. Raha eo amin`ny lafiny toekarena aloha dia hisy akony goavana izany satria mitombo indray araka izany ireo olona tsy an’asa, na dia mbola ao anaty hamehana ara-pahasalamana sy fahasahiranana tanteraka aza ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Ny very asa noho ny aretina aza efa tsy hitan` ny fanjakana izay hanampiana azy ireo ka mbola manakatona orinasa indray no mahamaika azy. Sarotra no tsy hino fa noho ny fankahalana sy fanenjehana ara-politika atao amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no anton` ireo fanapahan-kevitra ireo. Mbola tsy fantatra ny ho avadiky ny ampitso ka samia mivonona ny ho amin'izany ny tsirairay. Noho izany, ny fifamelana arahana fifankatiavana hanjakan'ny rariny ny ny hitsiny no fanafody mahomby indrindra. Izany indrindra no antom-pijoroan` ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM). Andraikiny no ikaroka ny lalana rehetra hampahomby ny fampihavanana, araka ny voalazan` ny lalàna, saingy toa mangina tanteraka izy ireo ka hanara-dia ny Bianco manoloana ireo dosie momba ny kolikoly misy amin'izao. Ny zavatra mikorontana no alamina fa tsy ny zavatra efa milamina ary izay foana no lesoka misy eto amintsika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.