Tazana tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina i Mangalaza Eugčne omaly alakamisy 20 janoary, tolakandro.
Anisan’ireo nihaona tamin’ny iraky ny SADC tarihin’ny Dr Leonardo Simao ny tenany. Izy ilay praiministry ny marimaritra iraisana natolotry ny Ankolafy Ratsiraka nandritra ny fivoriana fahatelo momba an’i Madagasikara nataon’ny GIC tao amin’ny Carlton ny 06 oktobra 2009 ary nankatoavin’ireo filohan’ny ankolafy efatra (Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina) tany Addis Abeba ny 06 novambra 2009. Nandalo sy niserana, iray volana teo ihany anefa izy no teny Mahazoarivo satria dia nametrahan’i Andry Rajoelina an’i Camille Vital ny toerany raha namonjy ny «Maputo III», ilay fihaonana an-tampony andiany fahatelo fandaminana ny raharaha Madagasikara natao tany Mozambika ny tenany.
Nangina, tsy nahitan-teny i Mangalaza Eugène taorian’izay, na noventesin’ny Ankolafy Telo sy ireo vondrona politika samihafa aza ny hamerenana azy amin’ny toerany. Dia izy nipoitra tampoka ary tazana tao Antaninarenina omaly ity. Nalaina manokana avy any Toamasina any mihitsy ny tenany. Naharitra ora iray ny fihaonany tamin’ny Dr Simao. Tsy nisy teny betsaka taorian’izay fa ny hany nambarany dia hivaha tsy ho ela ny olana. Matoky ny fihavanana Malagasy izy amin’izany. Mikasika ny toerany indray dia aleo tsy ho be filaza, fa misy ny fotoana tokony hanambarana izany, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.