Tapitra ny fe-potoana 48 ora nomen’ny antenimierandoholona ho an’ny Minisitry toekarena sy ny vola,
hamerenana ny vola hoentin’io andrim-panjakana io hiasana. Tsy nisy valiny sy setriny, tsy tahaka ny an’ny depiote izay ny 10 novambra no nitaky sy nanangam-bovona fa noana satria tsy ampy 7 miliara ny tetibola 2020 izay 59 miliara kanefa 52 no efa azo, ary ny 11 novambra, dia nivoaka ny didim-panjakana namoahana ny tsy ampy. Nanangam-bovona ny tetsy Anosikely omaly eo anatrehan’ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021 na ny LFI 2021. Omaly no asam-baomiera voalohany momba ny LFI 2021, saingy najanon’ny loholona, ary isan’ny tsy nahafaly azy ireo ny tsy fahatongavan’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola Atoa Richard Randriamandranto. Mbola ilaina ve ny handinihana an’io lalàna io, kanea ny lalàna teo taloha LFR 2020 aza notsinontsinoavina, ny lalàna efa lany teo anivon’ny Antenimiera roa tonta aza nohitsakitsahina? Hoy ny Filohan’ny Kaominisin’ny vola sy ny tetibola Loholona RAFIDIARISON Jean Rémi Gabriel. Ny efa voasoratra tao dia ny tetibola hiasan’ny loholona aza nohitsakitsahina no tiana ambara eto. Inona izany no anton’ny fivoriana ara-potoana 2020 handinihana ny tetibolam-panjakana? Ny tapaka tamin’ny asam-baomiera, nasehonay ho fanta-poko fanta-pirenena hoe ireto izahay vonona hanatanteraka ny asa sy andraikitra nankinin’ny lalàmpanonrenana. Natomboka tamin’ny 30 novambra ny fivoriana, ka isan’izany ny asam-baomiera iray nanekena ny fifanaovantsonia famatsiam-bola ny “pont Mangoky”, hanampiana ny tantsaha. “mba tsy hifanomezan-tsiny dia avoahay haingana ny hoenti-manana ahafahanay mamonjy ity asa ity. Izaho izao dia tara adin’ny iray androany tara, nandeha “bus”, tsy misy solika”. Ho anay kosa dia nandroso kitay tsy nirehitra izahay”, hoy ny ”, hoy ny loholona RAFIDIARISON Jean Rémi Gabriel. Raha zohiana amin’io, dia mety hiafara amin’ny didy hitsivolana indray ny fampandaniana ny LFI 2020, izay hanaratsy endrika ny Fitondram-panjakana, porofon’ny krizin’andrim-panjakana, hiteraka tsy fitokisan’ny mpamatsy vola,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.