Azo antoka ny hihamafisan’ny fanoherana ara-politika hatramin’ny taona 2023, raha tsy misy ny fipoahana ara-politika na toe-javatra goavana mety hiseho mialohan’izay.
Mihamafana ny toe-draharaha politika, ary mitovitovy amin’izao ny toe-draharaha nahatonga ny hetsika teny amin’ny 13 mey notarihin’ny depiote 73 ny aprily 2018. Nandeha tamin’ny resaka lalàna aloha tamin’ny alalan’ny fitoriana teny anivon’ny ambaratongam-pahefana, toy ny HCC, tsy afa-po ary niafara teny an-kianja, ka ny MAPAR izay eo amin’ny fahefana ankehitriny no isan’ny nitarika ny hetsika niaraka tamin’ny TIM. Mitovitovy amin’izay ny sary amin’ny fifidianana loholona ankehitriny, ary mety ho ady fiady ho an’ny andaniny, izay mahatsiaro ho lasibatra. Azo antoka fa ho azon’ny mpitondra ankehitriny 100% ny toerana ao anatin’ny antenimierandoholona, ny eny Tsimbazaza efa azy ireo ny maro an’isa. Malalaka tanteraka ny mpitondra amin’izay tiany, fa tsy hisy intsony ny karazana fifandanjan-kery ara-pahefana, ary tsy dia hisy arofanina sy hanohintohina intsony aorian’io fifidianana loholona io, raha handeha araka ny fiheveran’ny mpitondra azy. Tanjaka sy fahamarinan-toerana ara-politika no andraisan’ny mpitondra azy, saingy misy ny mpandinika maneho, fa tonga amin’ny teboka na “point culminant” hampikoa azy ny Fanjakana ankehitriny. Efa niseho io tamin’ny andron’ny Filoha Tsiranana, Pr Zafy Albert, ny Amiraly Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, izay samy nanana olom-boavidy depiote sy loholona na ben’ny tanàna maro an’isa, saingy nirodana avy eo. Efa fanombohana krizy politika ny resaka fisamborana, fanagadrana, fampiasan-kery amina famoriam-bahoaka,… ka mety ho ratsy ny ho fandehan-draharaha, raha tsy mitandrina ny mpitondra ankehitriny. Tsy voatery hampiongana fitondrana ny fanoherana, fa handemy sy hampalemy ny tanjaka ara-politika, toy ny nahazo an’i Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM farany teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.