Politique

Manda Ravelojaona “Andraikitry ny antoko politika ny manabe ny olona”


  • Zoma 03 Jona 2022

Herintaona mialohan’ny fifidianana isika, hoy ny mpanao politika, Manda Ravelojaona. Isan’ny andraikitry ny antoko politika, hoy izy, ny manabe ny olona hoe andao hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana.

Fanadinana hatrehin’ny mpanao politika sy antoko politika ny fifidianana madio sy mangarahara. Izay no irian’ny rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena. Dingana lehibe nataon’ny fitondram-panjakana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izay hitako hoe tsara fipetraka satria raha mifarana amin’ny 2023 io dia midika fa tsy tokony hisy olona ivelan’ny lisi-pifidianana intsony ao anatin’ny fifidianana 2023. Tokony hifanabe isika hoe andao hisoratra anarana fa indrindra hanara-maso io lisi-pifidianana io. Ny tiako hanentanana kely dia ny hoe tokony hamaivanina ny asan’ireo ratsa-mangaikan’ny CENI satria ny olana matetika dia lasa be loatra ny andraikitr’ilay olona manao fanisam-bahoaka, ohatra, ao anatin’ilay 18 taona dia lasa misy anarana tsy voasoratra mifanaraka amin’ilay ao anaty kopia fa raha ekentsika, ohatra, hoe ao anatin’ny 1 andro mba 20 isa no vitan’ny olona iray dia ny mpanisa no ampiana dia mba mety hilamina tsara amin’izay ny fanoratana. Ny matetika misy dia olona 1 miandraikitra olona miisa 50 ao anatin’ny iray andro. Mavesatra izany. Nitaky “refonte” isika. Tonga izy ity ka inoako fa tsy hisy sakana intsony ny fifidianana fa hadio sy hangarahara. Mila ampiana ny isan’ny olona mikarakara fifidianana fa izay no itako lesoka. Atao tonga tsara hatrany anivon’ny fokontany. Mila omena fiofanana feno, indrindra, izy ireo mba hahazoana ny fenitra takiana iraisampirenena. Ampiana ireo ratsa-mangaika eny ifotony toy ny CED sy ny ambiny rehetra, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT