Politique

Manantitrantitra ny Otrikafo “Finiavana politika no andrasana amin’ny fanjakana”


  • Alatsinainy 29 Novambra 2021

Mampiteny ny moana ny zava-misy raha vao JIRAMA no resahana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo. Tsy mitsahatra ny miha ratsy ny kalitao omeny ny vahoaka na amin’ny resaka jiro na rano, hoy izy ireo.

 Tena tsy misy vahaolana tokoa ve izy io sa iniana potehina mba hahafahana manamora ny fanomezana azy ho tantanan’ny tsy miankina sahala amin’ireo orinasam-panjakana taloha toy ny banky sy ny SOLIMA? Raha tiana mantsy ny hamaha ny olana dia tsy sarotra izany fa azo atao tsara ny manarina azy io mianga amin’ny traikefan’ireo teknisianina malagasy miasa ao ihany fa mila finiavana politika anefa izany, izay tsy ananany mpitondra amin’izao fotoana fa ny famotehana sy fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena no maha maika azy ireo. Ny jiro sy rano dia isan’ny filana fototra amin’ny fiainana an-davanandro ka mila vahana haingana io olana io fa tena mahatsiaro mangirifiry ny vahoaka amin’ny afitsoky ny mpitondra sy ireo mpiray petsapetsa aminy. Henatra ho an’ny firenena ireny resaka navoakan’ny banky iraisampirenena mikasika ny vola nahodina ka takiany amin’ny fanjakana malagasy ny hamerenenana izany ireny. Isika rehetra no miara-mamerina azy ka tokony tsy ekena ny tranga toa izany satria ny vahoaka hatrany no mizaka ny tsy eran’ny aina vokatry ny kolikoly ao anatin’ny orinasa JIRAMA ka tokony samy ho sarotiny isika rehetra fa mambotry firenena izany. Mahakasika ny lafiny toekarena indray dia mampalahelo ny tranga mahazo ireo mpanondrana litchi sy voatabia satria tsy mahavaly ny kalitao takian’ny any ivelany ireo vokatra ireo ka zary lasa fatiantoka ho an’ireo mpandraharaha sy tantsaha malagasy izany ka tokony hijeren’ny mpitondra vahaolana maika fa potika ireo mpisehatra amin’ireo vokatra miisa 2 ireo. Raha ny zava-misy no jerena dia tsy nisy fivoarana mihitsy ny fomba fambolena teto fa mbola mionona amin’ny teknika nentim-paharazana hatrany. Isany manaratsy ny kalitao sy mampihena hatrany ny vokatra io ka anjaran’ny mpitondra ny manampy ny tantsaha malagasy mba haharaka ny fambolena maoderina sy manampy azy ireo amin’ny resaka fitaovana mba hahafahan’izy ireo mifaninana eo amin’ny tsena iraisampirenena. Mila finiavana politika anefa izany rehetra izany ka izay no andrasana amin’ny mpitondra fanjakana mba hahafahana manainga ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, hoy hatrany ny Otrikafo manatintrantitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT