Politique

Manangana Madagasikara vaovao “Tsy maika noho ny fijerena vahoaka noana ny fananganana Oniversite.”


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Isan’ireo fikasana goavana maha maika ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, hanitsy ny lalam-panorenana ny mba hahafahany mandrava ny antenimieran-doholona.

 Mikasika an’izay, hoy ny mpahay lalana iraisampirenena, Arlette Ramaroson, sy ny fikambanana Manangana Madagasikara vaovao izay tarihiny dia ny vahoaka no tokony hanapaka azy fa tsy ny filoham-pirenena. Tokony ho araky ny feom-bahoaka sy ara-dalana no hanapahana izany. Nilaza, hoy ity filohan’ny MMV ity, ny filoham-pirenena fa hanamboarana oniversite vaovao isam-paritra ny tetibola tokony ho an’ny Senat na koa hoe politikan’ny fitsitsiana izany. Raha tena politikan’ny fitsitsiana no kasain’ny filoha ho atao, hoy hatrany ny tenany, dia tsy tokony ho ny fananganana oniversite no maika satria be dia be no manana Bacc tsy tafiditra amin’izany akory avy eo. Ny resaka mpampianatra sy ny hafa etsy andaniny. Anavoty ireo Malagasy noana be dia be aloha ny vola sy ny tsy afa-mianatra akory nony antony samihafa. Ataovy toy ny tamin’ny taona 1990 ny tombony omena ireo depiote, izany hoe tambikarama na “indemnite” fotsiny. Farafaha ratsiny izay sy karama ihany. Raha izany rehetra izany no atao dia afaka amin’ny fahantrana isika, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT