Alain-tahaka amin’ny fanatontosana ny fifidianana any amin’ny firenen-kafa isika.
Tsy tokony hanaratsy tena toy ny omby hatsika isika, fa tokony hitazona ny maha isan’ny firenena lohalaharana aty Afrika eo amin’ny fitantanana ny fifidianana, raha ny nambaran’ny Filohan’ny CENI Atoa Hery Rakotomanana. Nisy mantsy omaly ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpanao politika. Aoka tsy hanao mpimasy tsy masina an-taniny, fa ny olona indray no migoka ny traikefa izay misy ato amin’ny CENI satria izahay dia antsoina maneran-tany, indrindra aty Afrika hizara traikefa, hoy izy. Antsoina mandray andraikitra ambony iraisam-pirenena aza eo amin’ny fikambanana mitantana ny fifidianana, ka aoka izay ny fanenjehana sy ny fanaratsiana amin’ny tsy rariny ny CENI. Tahaka anareo ihany satria izahay koa dia tia an’i Madagasikara sy ny vahoaka ato aminy tahaka anareo, hoy hatrany izy. Asa na fifandrifian-javatra na ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) no tiany hasiana tamin’io fehezanteny iray. Nambaran’ny Filohan’ny CENI fa tsy izy ireo mihitsy no ho fototry ny fanodinkodinana na hanodinkodina ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara. Ny olana ao anaty lisi-pifidianana, hoy izy, dia tsy vao ity CENI ity no nisiany fa efa hatramin’izay, fa anjaran’izy ireo ny manitsy araka ny lalàna manan-kery, hoy io Filohan’ny CENI io. Misokatra hatrany amin’ny sehatra ifampidinihana. Nilaza moa izy ireo fa tany amin’ny taona 2016-2017 no betsaka indrindra ny karapanondro izay 94% miverin-droa fa tsy nampiova ny voka-pifidianana. Olona samihafa rahateo ireo, ka tsy tokony fafana sy hesorina aminy ny zony. Hita porofo ao anatin’ny antontan-kevitra, fa nomena talohan’ny 2017 ny karapanondro miverina laharana. 4,58 izany ho an’ny taona 2018. ho an’ny 2019 dia 1,28% . 0,05% kosa ny tamin’ity taona 2020 ity. Mizotra mankany amin’ny tsara kokoa, raha ny fanazavana. Nanatrikitrika izany ny CENI fa tena matihanina sy nadio tamin’ny asany. Andrasana izay ho setriny amin’ny mpanao politika, indrindra ny mpanohitra, izay manamafy fa fifidianana tsy ara-drariny sy feno hosoka no natao teto ka tokony foanana avokoa.
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.