Politique

Manandafy Rakotonirina «Tsy hilamina eto raha tsy mody Ravalomanana»


  • Alakamisy 02 Desambra 2010

Roa taona latsaka kely izao dia mbola miaina anaty krizy foana i Madagasikara. Na dia teo aza ireo fifanarahana efa napetraka sy tenieranan’ireo ankolafy isan-tsokajiny dia tsy namaha olana ireny satria notsipahan’ny ankolafy Rajoelina na dia efa vita aza ny sonia amin’izany.

Nambara ombieny ombieny, hoy i Manandafy Rakotonirina fa “raha tsy milamina ny tany, tsy mody Ravalomanana”. Ary dia tsy vitsy ireo nanararaotra izany, na teo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena na indrindra koa ny FAT ankehitriny izay manakana amin’ny heriny rehetra ny fodian’ny filoha teo aloha. Ho an’ny filoha nasionalin’ny antoko MFM anefa dia mazava ny resaka : “Tsy hilamina eto raha tsy mody Ravalomanana”. Nanomboka tany amin’ny fiandohan’ny janoary 2009 tany, hoy izy dia efa taratra teny ny fankamamian’ny vahoaka an-dRavalomanana. Porofon’izany, hoy izy, ireo hetsika goavana niarahany tamin’ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina teny Mahamasina nanomboka ny volana febroary.

Niaro azy koa ny vahoaka taorian’ireny 7 febroary ireny, tsy hita noanoa ary tsy mbola nahitana firaisankina toy ireny teto amintsika. Rehefa lasa indray izy, araka ny fanazavana ihany dia nirohotra teny Ambohijatovo ny vahoaka nitaky ny hiverenany, nanomboka ny 21 martsa. Nanomboka teo ka hatramin’izao, hoy i Manandafy Rakotonirina dia tsy nitsahatra ny hetsika mitaky ny hamerenana an-dRavalomanana sy ny ara-dalàna eto amin’ny firenena. “Na dia teo aza ny famoretana, ny fisamborana, ny fanagadrana, eny namoizana aina mihitsy aza dia tsy mbola nihemotra ireo mpiara-dia aminy. Na dia teo aza ny fanagiazana ireo kianja malalaka fanehoan-kevitra ka voatery nifindrafindra toerana ireo mpanao fihetsiketsehana dia tsy nampiova ny fitakian’ny maro an’isa izany”, araka ny fanazavana ihany. Momba ny ho fihaonan’ireo lehiben’ny ankolafy dia heverin’i Manandafy Rakotonirina fa eto an-tanindrazana no tokony hanaovana izany ary ny tafika iraisam-pirenena no hisahana ny fiarovana sy ny fandriampahalemana amin’izany izay hiditra an-tsehatra ihany koa amin’ny fitandroana sy fametrahana ny demokrasia, ny tany tan-dalàna izay olana goavana eto amin’ny firenena. 

Nangonin’i Soa
 
Sary : Manandafy Rakotonirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT