Politique

Manandafy Rakotonirina Ravalomanana no hampilamina ny tany


  • Alakamisy 06 Janoary 2011

Tsy milamina ny tany raha tsy miverina i Marc Ravalomanana sy i Didier Ratsiraka, hoy Manandafy Rakotonirina.

Ny fahatongavan’ireo filoha mirahalahy ireo eto an-tanindrazana no hanafaingana ny dinika sy ny fivoahana amin’ny krizy, hoy hatrany izy. Mihevitra koa ny filoha mpanorina ny MFM sady mpikambana ao amin’ny International Liberal fa tsy tokony hisy olana ny fodian’ny filoha Ravalomanana sy firotsahany hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka. Aminy dia naneho fitiavan-tanindrazana goavana ny filoha Marc Ravalomanana raha nampandefitra ny hambom-pony ka tsy nandray sy tsy handray anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita.

Manana ny vahoaka sy teknisiana ary ireo antoko maro manohana azy mivondrona ao amin’ny UDemPro anefa ny tenany izay vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fitantanana ireo rafitra isan-karazany ao anatin’ny tetezamita tena izy sy iarahan’ny rehetra raha ny fanambaran’i “Koto” ihany. Raha ny vaovao re moa dia hisy indray ny fihaonan’izy efatra mirahalahy lehiben’ny ankolafy dia ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, sy ireo filoha telo miralahy teo aloha, Pr Zafy Albert, ny Amiraly Didier Ratsiraka ary i Marc Ravalomanana, aorian’ny fandalovan’ny iraky ny SADC, tarihin’ny Dr Leonardo Simao, eto amintsika amin’ny herinandro ambony io. Mbola tsy fantatra kosa anefa ny andro sy ny toerana hanatotontosana izany fihaonana izany, na resahina betsaka aza fa mety ho any Addis Abeba. 

Yves
 
Sary : Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny MFM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT