Ny talata 16 ka hatramin’ny alahady 21 oktobra lasa teo no nanatontosan’ny Liberal International ny kongresy faha-58 tany Cote d’Ivoire.
Ao anatin’ny tambajotran’ny International Liberal ny antoko MFM ary i Manandafy Rakotonirina, izay filoha nasionalin’ny antoko no nanatrika io fihaonambe io. Ny fampiasam-bolan’ny tsy miankina, sy ny andraikitra eo amin’ny fiarahamonina no lohahevitra nodinihin’ireo mpandray anjara an’arivony tany Abidjan. Ankoatra izay dia namoaka fehin-kevitra amin’ny fahitany ny toe-draharaha amin’ireo firenena misy tambajotrany ny International Liberal. Ho an’i Madagasikara manokana dia manana solontena ao amin’ny fitondrana tetezamita izao ny Liberal International dia ny ‘Mafana’ tarihin’i Manandafy Rakotonirina, eny amin’ny CT sy CST. Nambaran’ny International Liberal fa ela loatra ny famoahana sy ny fivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy taorian’ny nisiana fanonganam-panjakana teto.
Manao antso ary ity vondrona ity mba hampiharana tanteraka ny sori-dalana, ao anatin’izany ny fiverenan’ireo sesitany noho ny antony politika, ny fanatontosana fifidianana azon’ny rehetra antoka sy ekena ato anatin’ny fotoana haingana indrindra raha mety. Raha momba izay fifidianana izay anefa dia nambaran’i Manandafy Rakotonirina fa mbola resabe aloha izany hatreto. “Kitoatoa ny fanomanana azy, manomboka aty amin’ny fanisam-bahoaka ka hatramin’ny resaka kara-pifidianana tsy misy antoka”, hoy ny filoha nasionalin’ny MFM izay milaza fa tsy misy afa-tsy ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo filoha efatra ihany no vahaolana. Fihaonana izay hotarihin’ny FFKM, araka ny fanazavana ihany.
Raha hiverenana ny momba ny International Liberal dia nambaran’i Manandafy Rakotonirina fa hielipatrana maneran-tany io karazana foto-piheverana io amin’izao taona arivo fahatelo izao. Mifototra indrindra amin’ny olona sy ny maha olona azy ny fiheverana liberaly. Mifantoka amin’ny zony rehetra izay efa namoahan’izao tontolo izao lalana, eo koa ny fahalalahany amin’ny heviny rehetra. Ho an’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana dia Madagasikara, Kaomoro, Seychelles no manana solontena ao amin’ity tambajotra goavana ity izay handraisan’ireo mpahay toekarena andraikitra feno ankehitriny raha akademisiana no nitondra ny International Liberal teo aloha. Ho an’ny faritra Afrika kosa dia antoko politika 30 amin’ireo firenena 23 no mivondrona ao amin’ny Africa Liberal Network.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.