Politique

Manandafy Rakotonirina Lasa any Côte d’Ivoire miatrika ny kongresin’ny «Internationale Libérale»


  • Alarobia 17 Oktobra 2012


 Anisan’ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tsy tazana teny amin’ny Lapan’ny CST teny Anosy omaly tamin’ny fotoam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ity rafi-panjakana tetezamita ity Atoa Manandafy Rakotonirina mpitarika ny antoko MFM. Ny antony, araka ny nambaran’ny CST Olivier Rakotovazaha Sekretera jeneralin’ny antoko, dia lasa any Côte d’Ivoire nanatrika ny Kongresin’ny «Internationale libérale» nanomboka ny alatsinainy 15 oktobra teo ity mpitari-tolona ity, izy rahateo filoha lefitr’ity fikambanana iraisam-pirenena ity izay mpikambana ao anatiny ny MFM.

Tsy zoviana amintsika fa tany Côte d’Ivoire no nahitana tetezamita lava indrindra taty Afrika. Hisy ny fizarana traikefa atao ao anatin’ity kongresy ity. Ny filohan’i Côte d’Ivoire Atoa Alassane Ouattara dia anisan’ny niharan’ny antsojay tao anatin’izany tetezamita lavabe izany. 

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT